Haintrano tany Sambava – Mitentina 109 008 000 ny entana may
Tsy fantatra mazava matetika ny fototry ny haintrano nifanesisesy tamin’ity taona 2016 ity. An’arivony ny olona traboina manerana ny nosy vokatr’izany. Ny fanampiana azo avy amin’ny fanjakana sy ny fikambanana mpanao asa soa tsy mahavita anefa taona. Ny tena mampalahelo dia ireo olona tena sahirana ihany koa no tra-doza matetika . Ny asa efa tsy misy mbola miampy koa ny fahasahiranana. Ity haintrano ity kosa indray dia vokatry ny fitselaran’ny herinaratry ny Jirama tamin’ny alahady 27 novambra 2016 teo tokony ho tamin’ny 9 ora maraina. Tany amin’ny faritra Sava, distrika Sambava, fokontany Ambodisatrana II. Trano iray no may kila forehitra tamin’izany ary mitentina 109 008 000 ny entana levon’ny afo tao. Ny polisy nasionaly ao Sambava no manao ny fanadihadiana.
Tahirisoa
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







