Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Mitohy ny fandripahana !

Tsy ahitam-bahaolana mihitsy ny resaka fandripahana eto Madagasikara. Any amin’ny mpiaro ny tontolo iainana no tena ahitana io voambolana io. Efa am-polo taona maro mantsy no fantatra fa nanomboka ripaka ny ala eto Madagasikara noho ny fanimbana sy ny fitrandrahana tsy am-piheverana. Doro tanety, tevy ala, fakana hazo hatao arina fandrehitra sy kitay ary hamidy hatao fanaka. Nitombo izany taty aoriana ka nirotsaka an-tsehatra nanimba ny ala ihany koa ireo mpanao fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Voakasik’izany na ireo mpitrandraka madinika tsy manana fahazoan-dalana na ireo orinasa vaventy. Efa raiki-tapisaka ary ekena tsy sazoka fotsiny noho ny fahamarinany ilay anaram-bositra mandrabiraby manao hoe Nosy Mena fiantsoana an’i Gasikara. Nosy mena satria zara raha misy zava-maitso fa tany karakaina sy ngazana sisa no tazana. Toa mihitatra anefa io maha Nosy Mena an’i Madagasikara io satria tsy ny tanimena fotsiny no mampiova ny lokony fa ny rà latsaka ihany koa. Mihosin-drà ity firenena ity amin’izao fotoana izao. Be loatra ny fatiolona miseho isan’andro vokatry ny tsy fandriam-pahalemana. Fokonolona miisa izao maty tary, mpitandro filaminana miisa izao namoy ny ainy tatsy, ary dahalo sy jolahy toy izao matin’ny fitsaram-bahoaka. Lasa lojikan’ny fandatsahan-drà sisa ny fiainana eto Madagasikara. Herisetra sy valifaty no miseho eny anivon’ny fiarahamonina rehetra eny. Maso solon’ny maso ary aina solon’ny aina no lalàna ifampifehezana. Na fifamaliana kely tsy mankaiza akory aza dia miafara amin’ny tsindron’antsy sy ny fanapahan-doha. Endrikendrika sy tondro molotra ihany dia mety hiafara amin’ny fanamelohana ho faty amin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka.

Raha jerena dia toy ny tany tsy misy Fanjakana intsony fa toa samy manampatra ny heriny ka lasa didin’ny sahy mamono olona fotsiny sisa ny fianam-pokonolona. Maro ireo antso efa nataon’ny manam-pahefana sy ny fepetra efa noraisna fa toa vao mainka mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana sy ny herisetra. Hatramin’ny mpitandro filaminana aza misy sahy manafika sy mamono. Mbola misy ihany koa mpitandro filaminana voarohirohy amin’ny asan-jiolahy sy ny trafika mahakasika ny harem-pirenena. Volabe rahateo no mihodina amin’ny fanondranana ireny harena ambanin’ny tany sy ny biby ary zavamaniry ireny ka misy ny tsy mahazaka ny mena miraviravy.

Tsy mahagaga raha ripaka ihany koa ny harem-pirenena sy ny fananam-bahoaka. Mirongatra be mihitsy izao ny fandripahana ny tanin’olona izay nomena ny vahiny mpitrandraka vato sy volamena. Tanin’ny malagasy amina hetsiny hektara maro no efa nanomezana fahazoan-dalana mba hotrandrahin’ny sinoa. Ny tompon-tany nefa rehefa manao fangatahana hitrandraka tsy mahazo fa arirarira foana. Tsy hita anefa izay tena tombony amin’ny fanomezana ny fitrandrahana amin’ireo vahiny. Tsy azo adinoina ihany koa fa an’ny malagasy ny harena an-kibon’ny tany rehetra eto Madagasikara, izany hoe ny teratany no tsy maintsy misitraka izany voalohany. Aripaky ny vahiny anefa ny volamena sy vatosoa ary na ny fitondram-panjakana aza tsy manana antontan’isa mazava mamaritra ny lanjan’ny zava-tsarobidy notrandrahina teto. Tsy mahagaga raha mikorosy fahana toy izao ity firenena ity satria tsy misy fahefana mazava tena afaka manakana ny fandripahana amin’ny endriny rehetra. Aripaky ny manam-pahefana amin’ny alalan’ny fanomezana tombontsoa marobe sy karama mihoam-pampana ho azy ireo ny volam-panjakana ka tsy misy ampiasaina amin’ny asa fampandrosoana intsony. Aripaky ny jiolahy ny vahoaka nefa ny mpitandro filaminana toa tsy mahavita misahana manontolo ny fandriam-pahalemana. Aripaky ny vahiny ny harem-pirenena nefa toa tazanim-potsiny sy odian’ny mpitondra tsy fantatra. Tena very ilay firenena!

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre