Fanabeazana sy fampianarana – Nambara ampahibemaso ny “Groupe Anefa”
Voambolana roa samy manana ny hasiny nefa tsy afa-misaraka . Mba ho tomombana sy feno fa manam-pahaizana ny olona iray dia mila avoitra miaraka ireo amin’ny famolavolana olona iray. Izany tokoa no antom-pijoroan’ny “Groupe Anefa” na ny Association national des enseignants fonctionnaires et fram en action. Nampahafantarin’ny Filoha nasionaly, Andriamatoa Lova Randrianasolo omaly ny fijoroan’ity fikambanana ity tao amin’ny Infp Mahamasina. Nisongadina tamin’ny fanazavana nataony fa ny fanomezana lanja ny fanabeazana sy fampianarana no tena imasoan’izy ireo satria mahatsapa ireo mpikambana fa marary ity tontolo iray ity eto Madagasikara nefa io no fototry ny fiainan’ny firenena. Navoitrany fa “ efa misy eran’ny faritra 22 eto Madagasikara ny groupe Anefa. Mitovy tanjona amin’ny Anefa ihany izy dia ny fitakiana ny fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana ary ny tombontsoan’ny mpampianatra saingy ny fomba itondrana azy no samy hafa”, araka ny fanambarany hatrany. Mijoro ho fitaratra izy ireo. Izany hoe , maneho fa mpanabe, izay fakan-tahaka amin’ny atao rehetra . Noho izany, mifototra amin’ny famahana olana any ifotony ny hetsika fa tsy misy mihitsy ny fanangonana mpampianatra hitokona aty an-drenivohitra, izay misy karazana fitakiana tombontsoa manokana ho an’ny mpitarika fotsiny ihany ao ambadika. Tsy manao fampanantenana tsy ho tanteraka izy ireo fa tolo-tanana ho an’ny ministera miainga amin’ny fijerena ny olana avy any ifotony toy ny any amin’ny Cisco sy ny Dren manerana ny faritra. Tsapa araka izany fa hahomby tokoa ny groupe Anefa raha ny paikady entin’izy ireo mikatroka mba ho fanatsarana ny fanabeazana sy fampianarana eto Madagasikara no dinihina, indrindra ny fijerena ny sosialin’ny mpampianatra. Antenaina ihany koa fa hataon’izy ireo ho vaindohan-draharaha ny fijerena ny fandaharam-pianarana izay efa tsy nisy fanavaozana raha tsy tamin’ny repoblika faharoa.
Tahirisoa
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







