Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Cnaps : Nanome rà ny mpiara-belona ireo mpiasa

Fahombiazana. Izay no azo ilazana ny asa sosialy nataon’ny Cnaps tamin’ny tontolo andron’ny alarobia omaly.  Nahatratra 83 ireo mpiasa tonga nanome rà maimaimpoana, tetsy amin’ny « Centre Médico-Social » (Cms) tetsy Ampefiloha. « Tsy vao sambany, fa efa fanaonay isan-taona ny manome rà toy izao », hoy Raobijaona Bruno, talen’ny fitantanana ny maha olona eo anivon’ny Cnaps. Tafiditra amin’ny adidin’ny orinasa amin’ny tanindrazana sy ny fanampiana ny mpiara-belona toy ny marary izany. “Ireo marary tratran’ny lozan’ny fifamoivoizana, ny vehivavy didiana eo am-piterahana, ireo marary very rà be loatra, ny olona tsy salama fa voan’ny homamiadana, ireo amin’ny ankapobeany no mila rà. Ny sokajin-drà « Rhesus négatif » sy ny AB+  no tena tsy ahitana ka maha zava-dehibe izao asa sosialy ataonay izao”, araka ny nambarany hatrany. Rehefa hanome rà ny olona salama iray dia tsy mahazo miari-tory. Raha vehivavy mitondra vohoka na mampinono na tonga fadim-bolana dia tsy afaka ihany koa. Ny lehilahy dia tsy mahazo misotro toaka iray andro mialohan’ny hanomezana rà. Ny olona iray moa dia ahazahoana paosin-drà 350 hatramin’ny 450ml. Tsy ny sokajin-taona rehetra no afaka manome rà fa voafetra hatreo amin’ny 18 taona ka hatramin’ny 60 taona irery ihany. Ankoatra ny fanomezan-drà dia maro ny asa sosialy ataon’ny fianakaviam-ben’ny Cnaps izay tafiditra ao anatin’ny Rse (Responsabilité Sociétale de l’Entreprise). Mandritra ny fanamafisana orina ny ekipa na ny « team building » ataon’ny isaka ny departemanta dia betsaka no mahazo fanampiana. Ao ny voafonja, ny marary, ny kamboty ary ny ivon-toerana samihafa eto an-drenivohitra sy ny any amin’ny faritany.

Nangonin’i S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre