Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Befandriana-avaratra – Dahalo efatra matin’ny fitsaram-bahoaka

Efa tra-tehaka mbola be famaliana sy nanohitra ihany ka niafara tamin’ny fahafatesan’izy ireo. Dahalo miisa 4 no tsikaritry ny fokonolona nandalo tao amin’ny fokontany Morafeno any Befandriana avaratra. Namory vahoaka ny filoham-pokontany ary nanakana ireo efa-dahy nitondra omby miisa 9. Nanontaniana mikasika ny taratasin’ireo biby ireo ry zalahy nefa tsy nampiseho fa ry zareo indray no avo vava. Rehefa nifanarakaraka teny ihany dia niafara tamin’ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta, izany hoe ny fokonolona sy ny zandary andaniny ary ny dahalo ny ankilany. Nafana ny fifanjevoana ka matin’ny fokonolona ireo dahalo izay sendra ny be noho ny vitsy. Tonga nijery ny zava-nisy mba hahafahana manokatra ny fanadihadiana ny zandary taorian’io gidragidra nahafatesana olona 4 io.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre