Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Ankazobe – Nivadika indray ny Sprinter

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Ankazobe omaly maraina. Fiara fitaterana iray marika Sprinter Mercedes no nilatsaka tany an-kady ary rava tanteraka. Mba tsy nisy aina nafoy tamin’io loza io araka ny fitantaran’ireo nahita teny an-toerana. Avy any Antsiranana ity fiara ity ary ho aty Antananarivo izao nivarina an-kady izao. Tsy nahitana olana mihitsy izy hatrany am-piaingana saingy teo Ankazobe vao io namoa-tsampona io. Nisy nilaza fa vaky kodiarana ilay Sprinter ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ary nivoaka ny lalana. Maro anefa  no tsy nino izany ary nihevitra fa fandehanana mafy sy harerahana no mety nahatonga ny loza. Betsaka ny fiara latsaka an-kady amin’iny Ankazobe iny ary saika eny avokoa no tena hisian’ny loza mahatsiravina. Mety ho avy amin’ny tsy fitandreman’ny mpamily na ihany koa olana ara-tekinika no mahatonga ny loza saingy kosa tsy azo lavina fa tena mampidi-doza ny lalana sady miolakolaka no antampon-tendrombohitra. Mety efa fotoana kosa angamba izao handraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra hanisy fefy iny lalana iny mba hisorohana ny loza miverimberina. Mety ho lafo dia lafo ny sandan’ny fametrahana fefy saingy kosa tsy azo hadinoina fa efa am-polony maro ihany koa ny aina nafoy tamin’iny lalana iny. Ny ain’olona anefa tsy voavidy vola koa aleo mandray fepetra hisorohana ny loza toy izay hitsabo ny maratra sy handevina ny maty.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre