Vous êtes ici :

Lundi 29 Avril 2024

ombre

Tsy misy ilàna azy intsony

Misavorovoro ny eny amin’ny Antenimieram-pirenena ary andalam-paharavana raha mitohy ny zava-misy. Tamin’ny alarobia lasa teo izao dia solombavam-bahoaka miisa 21 monja no tonga nivory nanatrika ny fandaniana ny fandaharam-potoana. Ambonin’izany dia nolavin’izy ireo ny fandinihana ny volavolan-dalàna manokana hanenjehana ireo mpanao hosoka sy mpanodikodim-bola. Taorian’ilay gidragidra be saika niafara tamin’ny totondry teo amin’ny solombavam-bahoaka mpanohana ny Hvm sy ny Mapar tamin’ny herinandro dia io fa miseho mibaribary ny hakamoan’ny depiote hivory. Toa mampiseho ny maro an’isa ao amin’ireo olom-boafidy ao an-dapan’i Tsimbazaza fa tsy miraika intsony amin’ny raharaham-pirenena ary tsy te hanao ny asa fifidianana lalàna intsony izy ireo. Tsiahivina fa na ilay lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2017 aza dia depiote miisa 47 fotsiny, izany hoe tsy ampy antsasany no nifidy azy. Marihina fa io tetibolam-panjakana io mihitsy no fototry ny disadisa ao Tsimbazaza amin’izao fotoana izao. Saika hanao hitsin-dalana sy tery vay manta ny hampidirana ny vola hividianana fiara 4×4 tao anaty tetibolam-panjakana mantsy ny depiote sasany nefa nisy ireo nanakana ka tsy tafita ilay tetika.

Hita fa midongy ireo depiote taorian’io tsy fahazoana 4×4 io ary manao fanahy iniana tsy manatrika fivoriana intsony. Ny solombavam-bahoaka sasany avy amin’ny antoko mpanohitra aza dia sahy niteny mihitsy fa mangataka ny fandravana ny Antenimieram-pirenena. Toa manana ny marina sy ny rariny ihany izy ireo raha manao izany fitakiana izany satria atao ahoana tokoa moa ny hiasa raha tsy misy fitaovana. Ho an’ny olona tena mpidina eny ifotony mijery ny fiainam-bahoaka dia mahafantatra tsara fa tsy haitraitra ny fiara tsy mataho-dalana fa tena ilaina sy tsy azo ihodivirana noho ny haratsian’ny lalana eto Madagasikara. Tsy manam-bola anefa ny Fanjakana hividianana izany fiara izany. Manaporofo io fa tena sahirana ity fitondrana ity satria ny mpitondra rehetra nifandimby teo dia nahavita nanome fiara ny depiote avokoa. Raha samy sahirana ihany ny Fanjakana ka tsy mahavidy 4×4 ho an’ny solombavam-bahoaka dia tsara ilay soson-kevitra mitaky ny fitakiana ny fanafoanana ny Antenimieram-pirenena. Mandany vola be mantsy io andrim-panjakana io nefa tsy dia tena misy ilaina azy fa toa lasa mpiara-miombon’antoka amin’ny fahefana mpanatanteraka fotsiny ihany. Izay lalàna rehetra naroson’ny fanjakana ka tiany ho lany dia neken’ny Antenimieram-pirenena avokoa.

Maro tamin’ireny volavolan-dalàna naroso sy lany ireny anefa no vao mainka niteraka savorovoro teto amin’ny firenena sy ny fiarahamonina. Anisan’izany, ohatra, ilay volavolan-dalàna mikasika ny sata manokana mifehy ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Eo ihany koa ary mbola mampikorontana hatramin’izao ilay satan’ny serasera izay tsy eken’ny mpanao gazety noho ny andinin-dalàna sasany manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra. Manao bontolo fotsiny ny ankamaroan’ireo solombavam-bahoaka ary mifidy an-jambany izay tian’ny Fanjakana hatao. Ankoatra izany dia anisan’ny manome endrika ratsy ny firenena ity andrim-panjakana iray ity noho ny fihetsika sy toetra tsy mendrika ataon’ireo depiote sasany. Ao anaty toeram-pivoriana izy ireo dia mihinan-kanina sy matory fotsiny, ny sasany mifanasa vangy toy ny mpiady an-tsena ary ny hafa mifanenjika sy mamoritra tanan’akanjo fa hiady hanao totondry. Tsy in-dray na in-droa no nisian’izany fa saika isaka ny misy fivoriana handraisana fanapahan-kevitra goavana. Manginy fotsiny ny resaka ahiahina kolikoly izay solombavam-bahoaka ihany no mitantara ny fisiany. Efa manao ny fomba hanaovana fanadihadiana ny Bianco saingy tsy mahazo alalana hanao izany araka ny tatitra azo. Ny solombavam-bahoaka voarohirohy amin’ny asan-dahalo sy ny varotra rongony moa tsy resahina intsony. Toa marina sy mitombina, noho izany, ny fitakiana handravana io Antenimieram-pirenena io. Sady hampihena ny savorovoro izany no ihany koa hampihena be ny fandaniam-bolam-panjakana.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre