Ankavandra – Miaramila 1 sy sivily 1 matin’ny dahalo
Nandravarava indray ny dahalo tao Soaloky Ankavandra. Rehefa avy nangalatra ny omby izy ireo ka raikitra ny fanenjehana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona dia tsy nanaiky nolembenana fa namaly ary nifampitifitra mihitsy ny roa tonta. Taorian’ny fifandonana dia fantatra fa nisy miaramila iray sy lehilahy iray avy amin’ny fokonolona no lavo teo an-tanim-piadiana. Mihorohoro noho izany ny vahoaka any an-toeran-kafa satria miha mahery vaika ireo malaso ary toa manana tetikady vaovao mihitsy hiatrehana ny mpanara-dia. Teo aloha teo mantsy dia hita fa efa nanomboka nifandanja ny hery noho ny fananganana ny dinabe izay sady manaraka ny lalàna velona eto amin’ny firenena no manana paikady matotra sy mirindra hahafahan’ny vahoaka miaro tena sy mifanome tanana amin’ny mpitandro filaminana. Maro ihany ny dahalo efa nataon’ny fokonolona nitondra faisana saingy toa vao mainka mampirongatra ny sasany izany. Sarotra fehezina ny asan-dahalo eto Madagasikara noho ny antony marobe. Voalohany amin’izany ny fahantrana sy ny kolontsaina, ary indrindra indrindra ny fidiran’ny mpampiasa vola amin’ny sehatry ny omby. Maro ireo mangataka ny nanafoanana ny fanondranana omby any ivelany izay lazain’izy ireo fa antony mampirongatra ny halatr’omby.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







