Fampandrosoana – Tena mandaitra ny serasera eny am-potony
Amin’ny ezaka ho fanatanterahana ny tanjona amin’ny fampandrosoana dia tena mandaitra ny serasera amin’ny vondron’ olona eny ifotony. Izay no nivoitra nandritra ny atrikasa nanaovana ny tomban’ezaka voalohany an’ny vovonana « Serasera ho an’ny fampandrosoana » teny amin’ny Green Club Vontovorona nandritra ny telo andro ary nifarana omaly. Tamin’ny taona 2014 no niorenan’io vovonana izay mikendry ny fanatanterahana ny zon’ny ankizy, indrindra ny fanomezan-danja ireo fomba mendrika ho an’ny ankohonana, toy ny fanaovana vakisiny ny zaza, ny fanasana tanana amin’ny savony, ny fampiasana lava-piringa, ny fandefasana ny ankizy any an-tsekoly, sns.
Araka ny anaran’ny vovonana, dia ny fanamafisana sy ny fanatsarana ny serasera no tena hampiasaina hahatratrarana ny tanjona apetrany. « Ny serasera dia tsy mandaitra raha mijanona eo amin’ny gazety sy ny haino aman-jery ihany, fa tena ilaina ary mandaitra indrindra ny fanentanana ny fiarahamonina eny ifotony » hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, izay anisan’ireo minisitera dimy mpikambana ao amin’ny vovonana. Ny fifampiresahan’ny vahoaka ifotony, ny fifandraisan’ny samy olona ary ny fandaminana miainga avy eny ifotony no teknika tena ampiasaina amin’izany. Maro ny asa efa vitan’ny vovonana « Serasera ho an’ny fampandrosoana » nandritra ny roa taona nijoroany, toy ny fanamifasana ny traikefan’ireo mpanentana eny ifotony sy ny mpanao gazety, ary ny fanamboarana torolalana hampitovizana ireo hafatra avoitra sy fomba fiseraserana.
Cassie
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







