Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Raboussa – Namonjy ireo sahirana iray tanàna aminy

Tsara ho fakan-tahaka. Tsy vao sambany fa efa maro ny mpanakanto toa azy no nitondra izay voatsirambin’ny tanàna hamonjena ny mpiara-belona. Omaly dia nitondra fanampiana hoan’ireo mponina iray tanàna aminy eny Anosibe, ny Raboussa Fianakam’s, notarihin’i Niry Rakotondrabe izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe Raboussa, ilay mpanasongadina ny gadon-kira rap malagasy malaza. Fantatry ny maro amin’ny hira izay miteny sy midradra isanandro ny fahantrana sy ny fahasahiranan’ny vahoaka malagasy. Notronin’ireo mpiray tarika aminy ny lehilahy nitondra izany fanampiana izany. “Tontosa so aman-tsara ny asa sosialy“. Hafatra tiany hoampitaina amin’izany dia hoe “ Kozio azy fa tsara ny manome noho ny mandray”, hoy ny tovolahy tamin’ireo nanatrika izany. “Aza manantena zavatra hafa fa manao mba ho fitaratra hoantsika tanora, izany hoe mila manolo-tanana tsy misy takalony”, hoy i Rojo mpakafy sy namana mpiara miasa amin-dRaboussa.

S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre