Raboussa – Namonjy ireo sahirana iray tanàna aminy
Tsara ho fakan-tahaka. Tsy vao sambany fa efa maro ny mpanakanto toa azy no nitondra izay voatsirambin’ny tanàna hamonjena ny mpiara-belona. Omaly dia nitondra fanampiana hoan’ireo mponina iray tanàna aminy eny Anosibe, ny Raboussa Fianakam’s, notarihin’i Niry Rakotondrabe izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe Raboussa, ilay mpanasongadina ny gadon-kira rap malagasy malaza. Fantatry ny maro amin’ny hira izay miteny sy midradra isanandro ny fahantrana sy ny fahasahiranan’ny vahoaka malagasy. Notronin’ireo mpiray tarika aminy ny lehilahy nitondra izany fanampiana izany. “Tontosa so aman-tsara ny asa sosialy“. Hafatra tiany hoampitaina amin’izany dia hoe “ Kozio azy fa tsara ny manome noho ny mandray”, hoy ny tovolahy tamin’ireo nanatrika izany. “Aza manantena zavatra hafa fa manao mba ho fitaratra hoantsika tanora, izany hoe mila manolo-tanana tsy misy takalony”, hoy i Rojo mpakafy sy namana mpiara miasa amin-dRaboussa.
S.A
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







