Tsy afaka miala intsony
“Tsy manam-bola i prezida” hoy ny filoha Zafy Albert rehefa nitondra fanazavana ny antony tsy nahatanterahany ireo fampanantenana rehetra nataony. “Ny vola misy fa ny ampiasana azy no tsy fantatra” hoy kosa ny filoha Ravalomanana manoloana ny fitarazohan’ny asa fampandrosoana izay nolazainy fa vita ao anatin’ny enim-bolana monja. “Tsy ampy ny fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena”, hoy indray ny filoha Rajaonarimampianina manoloana ny tsy fanantanterahany ireo tetikasa nolazainy fa hatao. Nanomboka tamin’ny alakamisy lasa teo anefa dia nieboebo fatratra ny delegasiona malagasy lasa any Parisy hanatrika ilay kaonferansa iarahana amin’ny mpamatsy vola sy mpampiasa vola fa nahazo famatsiam-bola avo roa heny nihoatra ny noeritreretina. Izany hoe mazava izao fa manam-bola hanaovana ny asa fampandrosoana amin’izay ny firenena. Mahazo manantena ve izany ny vahoaka malagasy fa hisondrotra ny farim-piainana ary hitsangana etsy sy eroa ny fotodrafitrasa ara-tsosialy sy ara-toekarena marobe izay nampanantenain’ny mpitondra ? Tsy afaka ny hiala bala sy hanilika andraikitra intsony mantsy izao ny mpitondra Fanjakana malagasy satria izy ireo ihany no nilaza fa efa nahazo vola hanatanterahana ny asa fampandrosoana. Ho hita eo raha tena misy tokoa izany rehetra izany na resaka ambony latabatra fotsiny ihany fa ny azo antoka dia miandry ny ho fiantraikany amin’ny fampiakarana ny fari-piainan’ny isan-tokantrano ny malagasy. Hatramin’izay dia toa resa-be fotsiny ny fampanantenana mahakasika ny asa fampandrosoana fa tsy hita izay tena vokany amin’ny fiainam-bahoaka. Nanaovana fihetsiketsehana be sy nitondrana fanazavana tsara lahatra tetsy sy teroa izao ireo tombony ho azo avy amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia teto Antananarivo tamin’iny herinandro lasa iny. Hatramin’ny mpianatra sy ny tangalamena no nohetsehina mba hitatitra ny “fahombiazana” any amin’ny toerana nihavian’izy ireo. Nanao ny tandrifiny ihany koa ireo lehiben’ny faritra ary nampiantso mpanao gazety mihitsy hitantara fa tena nitondra asa fampandrosoana ho azy ireo ny frankofonia. Hatreto anefa dia toa ny mifanohitra amin’izany no niseho. Ireo lalana izay namboarina ary nolazaina fa homena hampiasain’ny malagasy dia nakatona tsy azo aleha indray. Asa hoe hatao inona sa fananan’olon-tsotra fa dia tsy fantatra mazava izay tena antony. Lalana efa notokanan’ny filoham-pirenena izany tokony efa hoe mafy tsara sy manara-penitra ary azo ampiasaina mandritra ny am-polo taonany nefa dia mahagaga fa io nakatona io indray. Mba notokanana ny By-pass sy ny Masay fa mandrake ity ny androany mbola ireo ampiasain’ny vahoaka ireo fa tsy nisy izany nakatona izany rehefa avy nampiasaina tao anatin’ny herinandro monja. Midika io tranga io fa tsy natao ho an’ny malagasy akory ny fotodrafitrasa natsangana tamin’ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia. Tsy hita ihany koa izay asa fampandrosoana teo fa vao maika aza mihasarotra ny fiainana. Vao nifarana ny frankofonia dia nisondrotra sahady ny vidin’ny solika. Mazava ho azy fa hanaraka izany avokoa ny vidim-piainana, indrindra amin’izao volana desambra misy ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona izao. Ny mpitondra anefa tsy mitsahatra ny mamerimberina fa fahombiazana hatrany ny asa ary hita soritra mazava ny asa fampandrosoana sy ny fiantraikan’izany eny amin’ny isan-tokantrano. Tsy hitan’izy ireo ary tsy fantany akory fa saika isan-kerinandro dia misy olona maty an-dalana foana eto an-drenivohitra noho ny hanohanana sy ny aretina satria tsy manam-bola hividianana sakafo sy hitsaboana ten any vahoaka. Any amin’ny faritra hafa, ankoatra ny tsy fahasalamana sy ny tsy fahampian-tsakafo dia misy olona matin’ny asan-jiolahy sy ny herisetra foana isan’andro. Efa nahazo volabe tsy toko tsy forohana amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy izao ny mpitondra malagasy ka tsy afaka ny hiala andraikitra intsony manoloana ny fahantran’ny vahoaka.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







