Tsaratanàna – Mpianaka nihotsahan’ny trano
Efa ao anatin’ny fotoanan’ny orana tanteraka tokoa izao isika eto Madagasikara. Toy ny isan-taona dia toa tsy maintsy misy hatrany ny maty vokatr’izany. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo dia nikija tokoa ny orana amin’ny faritra maro manomboka any amin’ny faritra atsimo ka hatrany avaratra. Maro ny antony mahatonga izany. Anisany tena antony voalohany mahatonga izany ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fotodrafitrasa. Tsy manaraka ny fenitry ny fanorenana, kolikoly isan-karazany amin’ny fanomezana fahazoan-dalana hanorina trano sns. Tranga iray mampalahelo no niseho omaly tany Ambakireny, distrika Tsaratanàna. Renim-pianakaviana miaraka amin’ny zanany vavy kely no nihotsahan’ny trano ka namoy ny ainy. Trano teo akaikin’ny misy azy ireo, izay mbola eo ampanamboarana ary tsy mbola mitafo no nihotsaka ny rindrina ka nifatratra tany amin’ny trano natorian’izy mianaka. Marihina fa nisy orana mikija arahana tafiodrivotra mandra-parainan’ny andro no nilatsaka tany amin’iny faritra iny ka nahatonga izao voina izao. Izay no antony nahatonga ny loza. Omaly maraina vao nahita ny manodidina ka izay vao niroso tamin’ny fikarohana azy mianaka. Ny vatana mangatsika efa tsy misy aina intsony no hitan’ireo mpikaroka. Ny tena mampalahelo dia mitarika fahafatesan’olon-tsotra hatrany matetika ilay voka-dratsy nefa dia samy tompon’andraikitra amin’izany avokoa ny rehetra fa tsy afaka ny hailika any amin’ny tompon’andraiki-panjakana irery izany. Ny andro ratsy hatrany matetika no ialokalofan’ny tompon’andraikitra mba tsy hitaran’ny resaka rehefa misy ny fihotsahana toy izao kanefa raha ny tena marina dia ny gaboraraka hatrizay no lanjaina ankehitriny.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







