Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Mangabe – Tanimbary 650ha mampifandrafy ny mponina

Vaky ny ady amin’ny samy mponina any Mangabe Maevatanàna. Andaniny misy andiany iray miaraka amin’ny ben’ny tanàna ary ankilany kosa ny ankolafy faharoa manohana ny orinasa tsy miankina iray. Tanimbary midadasika mirefy 650 ha no fototry ny olana eto. Fantatra fa efa nampiasain’ny olona hatramin’izay io tanim-panjakana io. Taty aoriana anefa dia nisy orinasa tsy miankina nanao fangatahana ny hamboly eo ary nomen’ny Fanjakana ny fahazoan-dalana ara-dalàna. Nanaja ny fepetra sy ny antanan-tohatra rehetra io orinasa io talohan’ny nahatongavany haka ny tany. Nampiditra mpiasa miisa 378 ihany koa izy ka olona avy eo an-tanàna avokoa ireo. Tokony tamin’ny volana novambra iny no nanombohan’ny asa fambolem-bary ary efa any an-toerana ny fitaovana rehetra saingy nosakanan’ny ankolafy iray avy amin’ny mponina izany. Hisorohana ny fifandonana dia nidina tany an-toerana ny tompon’andraiki-panjakana avy amin’ny faritra sy ny distrika ary ny zandary niampy ny talen’ilay orinasa. Nisy ny fifampidinihana tamin’ny fokonolona ka io nizara roa io ny hevitra. Nisy nanaiky ny hiara-hiasa fa eo ihany koa ireo tsy mety hanome ny tany ary nilaza fa hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny ambaratongam-panjakana rehetra sy ny fitsarana.

Misy resaka mandeha ihany koa mahakasika ny tsy fifanarahan’ny ben’ny tanàna sy ilay orinasa. Fantatra mantsy fa efa niantso miaramila hanamafy ny fandriam-pahalemana miaraka amin’ny zandary ny tompon’andraikitry ny kaominina any an-toerana tamin’ny fotoana nandraisany ny fahefana. Taty aoriana kely anefa dia najanona io tetikasa io satria tsy naharaka ny vola entina hampandehanana ny asan’ireo miaramila ny kaominina. Taty aoriana kosa dia nilaza ny afaka hiantoka manontolo ny fanafarana miaramila miisa 10 ilay orinasa na dia 4 ihany aza no nangatahin’ny mponina. Nolavin’ny ben’ny tanàna io soson-kevitra io.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre