Mananjary – Vita ny fafy rano nandiovana ny Valamasina
Nanao fafy rano nentina nanadiovana ny Valamasina tao Mananjary omaly ny foko Antambahoaka. Nisy ny sorona sy vavaka nentina nanalana ny ota fady tamin’ny alalan’ny fanimpazana henan-kisoa nataon’ilay vehivavy maty nodoran’ny vahoaka herinandro maromaro lasa izay. Nanatrika io fanadiovana io avokoa ny terak’Antambahoaka rehetra izay afaka nankany an-toerana. teo avokoa ireo olobe ara-pomba nentim-paharazana sy ireo tompon’andraikim-panjakana ambony ary ny vahoaka manontolo. Naka fanapahan-kevitra mihitsy omaly ny lehiben’ny distrika ka nampikatona ny birao rehetra mba hahafahan’ny vahoaka tsy an-kanavaka manatrika ny fandiovana. Zava-dehibe io fafy rano io hoy ireo tompon’andraikitra rehetra satria eo amin’ny Valamasina no niandohan’ny Antambahoaka ary eo ihany koa no fototry ny fiarovana an’i Mananjary. Nisy ody valan’aretina sy ny ody haintrano natao mba hisorohana ny tsy hiverenan’ny loza intsony.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







