Andranonahoatra-Itaosy – Mpiasa iray maty natsipin’ny herinaratra avy eny amin’ny rihana faharoa
Mahantra loatra ny vahoaka Malagasy. Tsy maintsy mitady ary miezaka mafy anefa mba hiantohana ny famelomana ny ankohonana. Misy ny tranga tsy ampoizina indraindray ary mety vao mainka mitondra fahasahiranana hafa indray. Vaovao tena mampalahelo indray àry no nitranga teny amin’ny faritra Andranonahoatra- Itaosy. Lehilahy iray mpandrafitra trano no maty natsipin’ny herinaratra avy eny amin’ny rihana faharoa, omaly zoma 02 desambra. Tena naratra mafy izy vokatr’izany fianjerana izany, simba tanteraka ny tarehiny ary tsy nahatsiaro tena ihany koa. Sendra teo akaiky teo ny fiaran’ny polisim-pirenena tamin’io fotoana io. Tsy niandriandry ireo manam-pahefana fa avy hatrany dia nampiakatra azy tao anaty fiara ary nitondra azy teny amin’ny hopitaly, nampian’ny mpiara-miasa taminy teo. Rehefa tonga kelikely teny amin’ny toeram-pitsaboana anefa izy dia tapitra tanteraka ny ainy. Betsaka ny nitondra fanakianana ireo nanatri-maso ary nilaza fa misy ny antandrevaka ataon’ny mpampiasa amin’ny sehatr’asa toy itony. Matetika dia ny handraisana ny trano vita tsara no maha maika fa tsy mijery akaiky ny loza mety hanjo ny mpiasa ka manome aro-loza mifanaraka amin’izay ilaina. Tsy hita hifanomezan-tsiny lava izao anefa satria ny loza tsy mampilaza rehefa ho avy fa mila mitandrina ny rehetra mba hisorohana ny famoizana aina toy izao. Mampahery sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany izay rehetra eto amin’ny Madagascar Matin.
Chrysnovah
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







