Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Analakely – Mpangarom-paosy nitsoaka tany amin’ny polisy

Tena efa tsy misy ahafantarana azy intsony mihitsy ny mpanao ratsy ankehitriny. Tovolahy mirijarija no sady mihaingo tsara toy ny tanora rehetra, omaly no nifanenjehan’ny fokonolona tetsy Analakely  Antananarivo.  Refa avy nangarom-paosin’ny vazaha mpizahatany dia lasany ny poketra fitahirizam-bola ka avy hatrany dia  henon’ilay vazaha tompony ka noenjehiny. Tsy nitazam-potsiny ny vahoaka izay efa leo ny laza-ratsin’iny faritra iny amin’izay harom-paosy ka dia nanenjika koa. Tsy lasa lavitra akory dia tratra ka avy hatrany dia niainga ny daroka. Mbola velona tsara anefa ity tovolahy ity ka niezaka nanavotra ny ainy ary nitsoaka nankany amin’ny biraon’ny polisy tao Tsaralalàna. Efa fantany fa ny fahafatesana no miandray azy raha niaritra teo izy. Na izany aza anefa dia efa nihosin-drà ny vatany iray manontolo, ny maso efa nivonto ny ilany vokatry ny daroka nahazo azy.

S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre