Fampandrosoana vita taratasy
Fiteny fahiny ny hoe vola baoritra sy ny ariary be. Nentina nilazana ireo vola izay ngeza be fotsiny nefa zara fa misy sandany. Mbola fampiasan’ny mponina eny ambany tanàna ireo fiteny ireo entona andrabirabiana ny hafa. Eny amin’ny kianja filalaovana baolina lavalava no tena mandeha ny resaka ariary rehefa misy mpilalao lava ranjanana nefa tsy mahomby firy. Eny an-tanàna kosa no fandre matetika ny vola baoritra rehefa misy tovovavy ialonan’ny mpiara-monina ka tiana harabiana satria tsy avo tsy iva toy ny lohalik’alika araka ny fitenenana. Atao hoe ratsy toa tsara ihany, atao hoe tsara anefa tsy afaka ny hifaninana amin’ireo zanaky ny manan-katao sy ny avara-pianarana satria taranaky ny mahantra ka vao mainka tian’ny manodidina hosarihina tsy hiakatra fa hiara-hiosona amin’ny fahantrana hatrany. Mbola hita taratra amin’ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara io fampiasana ny baoritra sy ny taratasy ho tsy misy vidiny io. Mahay mandinika ny fiarahamonina ary tena mahita ny marina amin’ny oha-pitenenana fampiasa. Hatramin’izao mantsy dia toa eny ambony taratasy fotsiny ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara. Betsaka ihany ny sora-bola notenenina fa azo, ary tsy voaisa intsony ny zavatra lazain’ny mpitondra fa vita nefa toa tsy hita izay fiantraikan’izany eny amin’ny fiainam-bahoaka. Ny tatitra an-taratasy no betsaka fa raha ny tena fiantraikany toa mampandainga araka ny fitenenana. Lazaina fa vita izao sy izao nefa toa vao mainka ny firenena milentika any anaty fotaky ny fahantrana. Tamin’iny faramparan’ny herinandro iny aza dia tsy tahotra tsy henatra ny manam-pahaizan’ny banky iraisam-pirenena namoaka tatitra fa nisy fivoarana ny ara-toe-karena eto Madagasikara. Mety manana ny marina izy raha ny voasoratra sy ny tarehimarika nampiadiany eny ambony boky no dinihina saingy tsy azo hadinoina fa soratra sy marika ambony taratasy fotsiny ireny rehetra ireny. Na inona na inona filaza sy porofo entin’ny manam-pahaizana sy ny be atidoha dia tsy mandroso izany i Madagasikara sy ny vahoaka ao aminy fa vao mainka mijaly. Tamin’iny herinandro iny izao dia niakatra avokoa ny vidim-piainana rehetra. Nanomboka tamin’ny hena izany dia nahakasika ny vary, avy eo ny fangaron-daoka sy ny sakafo ilaina andavanandro. Efa hita ihany koa fa nisy fisondrotany ny saran-dalana ho an’ireo mpitatitra entana sy ny fiara karetsaka ary mbola ahiana hampiakatra ny azy ny fiara fitateram-bahoaka. Ny karama anefa tsy nitombo ary maro aza ny tara fandraisana tamin’iny volana novambra efa nivalona iny. Taonan’ny fiotazana ity 2016 ity hoy ny filoham-pirenena tamin’ny volana janoary nefa tsy hita izay tena vokatra teo. Vikatra tsy azo hanina sy tsy hihinanan-kanina no betsaka fa ny delestazy sy tsy fandriam-pahalemana ary ny mosary sy areti-mifindra vao mainka mirongatra. Saika ho isan’andro dia misy olona matin’ny hanoanana sy aretina hatrany eny amin’ny araben’Antananarivo renivohitra. Trotraky ny fahantrana tany amin’ny toerana nisy azy tany ireny olona ireny dia nandosira miakatra mba hanavo-tena aty an-drenivohitra satria aty no misy ny tompon’andraiki-panjakana nampanantena asa fampandrosoana sy fanavotana ny vahoaka. Indrisy anefa fa tsy misy mpijery izy ireny fa maty an-dalana fotsiny. Tena efa gravy araka ny fitenenana ny zava-misy nefa ny manam-pahefana toa tsy miraharaha izany fa izao nahavita sy mbola hanohy izao ihany no mahamaika azy ireo. Nilaza indray izao ny delegasiona nangata-bola tamin’ny mpiara-mombon’antoka tany Parisy fa nahazo famatsiam-bola maherin’ny 10 miliara dolara. Resaka am-bava sy an-taratasy fotsiny anefa izany rehetra izany fa raha hanontaniana ireo delegasiona dia tsy afaka ny hampiseho na ariary aza tamin’ny vola azon’i Madagasikara tany Parisy tany. Fampandrosoana taratasy ny misy eto ary hatramin’ny lalana aza dia lasa toy ny taratasy vao lenan’ny orana dia simba.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







