Ambalavao – Saron’ny zandary ny rongony 44 gony
Fahantrana, ny hakamoana hampiasa saina, tsy fisiana asa, tsy fananana faharetana nefa te hanan-karena haingana, fitsiriritana ny hafa izay heverina ho manam-bola betsaka noho ny tena…, ireo amin’ny ankapobeny ny antony mahatonga ny olona mifototra amin’ny asa maizina. Toy ny halatra taolam-paty, ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, ny fanaparitahana ny zava-mahadomelina manerana ny nosy ka tonga amin’ny tsy fanasiana hasina ny maha olona mihitsy izany ka mahasahy mandatsaka aina. Miezaka mitady vola ihany koa ny Malagasy maro na amin’ny fomba ratsy aza no ahazoana izany ka misy mihitsy ny sahy manao sorona ny tenany. Tsapa mantsy ankehitriny fa tsy ny lalàna no manan-danja fa ny vola no miasa ka na dia nanao heloka bevava aza rehefa misy ny vola afaka madiodio ihany. Tamin’ny 2 desambra 2016 teo àry dia nisy ny fahatratrarana rongony 44 gony tany amin’ny faritra Matsiatra Ambony, distrika Ambalavao, fokontany sy kaominina ambanivihitr’Iaritsena. Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary ny fiara marika Nissan Civilian iray no nahatratrarana ireo zava-mahadomelina ireo. Lehilahy iray avy any Betroka no nanaraka sy nitondra ireo entana ireo. Saika hoentina aty Antananarivo ireo rongony saron’ny mpitandro filaminana ireo. Tsy fantatra hatreto na mpikarama nitondra ny entana izy na tena tompony. Rehefa misy mantsy ny tranga toy izao matetika dia tsy miteny fa tsy tena tompony ireo olona tratra fa milaza ho mpitondra fotsiny ihany. Nosamborina avy hatrany izy roalahy ireo ary nogiazana ihany koa ny fiarany mandra-pahafantatra izay tena marina ny amin’ireo zava-mahadomelina ireo.
Farah
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







