Mahajanga – Mahatratra 535 ireo mitondra ny tsimok’aretina Vih Sida
Toy ireo faritra maro dia anisan’ny nanamarika ny voalohan’ny volana desambra, izay andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny tsimok’aretina Vih Sida ihany koa ny tany Boeny tamin’ny alalan’ny fitiliana rà faobe maimaimpoana nandritra ny roa andro tao amin’ny Chu Mahavoky Atsimo, Csi (Centre de Soins Intégré) Mahabibo ary teny amin’ny Csb II Tanambao Sotema. Fantatra nandritra ity fotoana ity fa efa mahatratra 535 ny olona voaisa fa mitondra ny io tsimok’aretina io eny Mahajanga nanomboka tamin’ny septambra 2016. Ny 357 amin’izy ireo no tena efa marary, ary tena atahorana noho izy ireo tsy mifantoka amin’ny fitsaboana. Manomboka eo amin’ny 15 taona ka hatramin’ny 49 taona eo ny salan-taonan’izy ireo ary ao an-tampon-tanànan’ i Mahajanga ny ankamaroany.
Ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaffar niaraka tamin’ireo talem-paritra isan-tsokajiny, no nisantatra ny fitiliana rà tao amin’ny tobi-pitsaboana Csi Mahabibo, ka nanentanany ny vahoaka rehetra hanao toa azy ireo satria samy tompon’andraikitra amin’ny fisorohana ity aretina ity avokoa ny rehetra, araka ny teny filamatra hoe “Vonona aho hisoroka ny Vih”, hoy izy. Ho fanajana ny zon’olombelona kosa dia nampita hafatra ny lehiben’ny Faritra, ny amin’ny tsy tokony hanilikilihana ireo mifanambady lahy samy lahy na vavy samy vavy, na amin’ny toeram-piasana izany na eny anivon’ny fiarahamonina. Raha io salan’isa io dia azo lazaina fa ambony dia ambony tokoa satria mifanakaiky amin’ny faritra Analamanga izany, izay ahitana olona marary eo amin’ny 600 isa eo ihany koa. Marihina fa ny hany fiarovana amin’izany tsimokaretina izany izay tena nampahafatarin’ireo mpikarakara tokoa nandritran’ny andro fanakalazana dia ny tsy fanaovana firaisana aloha loatra ary eo koa ny fiarovan-teny amin’ny fimailo indrindra ny fiarahana amin’ny olon-tokana irery ihany.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







