Miarinarivo – Mpiandry omby telolahy nataon’ny dahalo takalon’aina
Tsy misy fitsaharany ny asan-dahalo manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Tamin’ny zoma 2 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva dia nisy indray ny fanafihan-dahalo tany amin’ny faritra Itasy, distrika Miarinarivo, kaominina ambanivohitr’Ambatomanjaka, fokontany Antanihazana-Ankerana. Dimy lahy ireo malaso no nanao ny fanafihana, izay nirongo basim-borona. Ny re matetika amin’ny asan-dahalo toy izay dia omby efa ao am-bala na omby an-kijana no alain’ireo olon-dratsy, araka izay fomba efa nomanin’izy ireo hanatontosana ny fanafihana. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia andiany telo samy teny an-dalana avy any am-piandrasana omby no nosakanan’izy ireo. Tsy nisy sahy nanohitra izy telo lahy ireo fa nanaiky izay baiko nataon’ireo dahalo. Nentin’izy ireo natao takalon’aina ireo mpiandry omby. Araka ny vaovao voaray dia tsy nisy naratra na maty izy ireo fa tafaverina amin’ny fianakaviany avokoa. Satria rehefa tonga ny misasak’alina dia navotsotr’ireo malaso izy ireo ary niverina nitodi-doha namonjy ny tanàna niaviana. Avy hatrany dia nampandrenesina ny fokonolona sy ny zandary ka tsy niandriandry ny rehetra fa nanatanteraka ny fanarahan-dia, izay niankandrefana. Nampandrenesina ihany koa ny zandary manodidina ka nandray ny fepetra manandrify azy ireo ihany koa. Sarotra ny ady amin’ny asan-dahalo na dia efa mba miezaka manao ny asa manandrify azy aza ireo mpitandro ny filaminana any amin’ny faritra misy azy.
Tahirisoa
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







