Mizara henatra fotsiny
Ireharehan’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny fandraisana ny fivoriamben’ireo ben’ny tanàn-dehibe aty amin’ireo nosy mitoetra amin’ny oseana Indiana izay atao amin’ity herinandro ity. Raha jerena amin’ny lojika sy ny saina tsy miangatra dia tena mahafaly ny zavatra toy izany saingy tsy mifanitsy amin’ny zava-misy ny zava-mitranga. Anisan’ny tena ratsy sy maloto ary tsy mivoatra mantsy ity kaominina renivohir’i Madagasikara ity. Tsy hita mihitsy izay tena asa fampandrosoana natao teto tao anatin’izay herin-taona mahery nitondran’ny ben’ny tanàna izay. Ny atao hoe asa fampandrosoana ifotony dia ny fananganana fotodrafitrasa hanatsarana ny fiainam-bahoaka. Voakasik’izany ny fampitomboana ny isan’ny sekoly, ny paompin-drano sy ny fanasan-damba ary ny toerana fivoahana sy fidiovana. Eo ihany koa ny fanatsarana ireo lalan-kely rehetra, ny fametrahana jiro amin’ny alina sy ny fanamboarana sy fandaminana ny lalam-be fivezivezen’ny fiara. Mbola ao anatin’ny asa fampandrosoana ny kaominina ihany koa ny fanatsarana ny tanàna, ny fanadiovana, ny fametrahana lamina ho an’ny fandriam-pahalemana.
Hatramin’izao aloha dia tsy mbola misy mahafa-po ireo sehatra rehetra ireo ho an’ny kaominina Antananarivo renivohitra satria saika mifantoka betsaka amin’ny fanasaziana sy fanilikilihana ny vahoaka madinika ny asa ataon’ny eo anivon’ny lapan’ny tanàna. Fitakiana hetra, fandraràna, fandrodanana, fanasaziana,… izany hoe tena famoretana ny vahoaka mihitsy no asa ataon’ny kaominina amin’izao fotoana izao. Mba miandry ihany ny mponina ny amin’ny fametrahana lamina hiadivana amin’ny tsy fandriam-pahalemana fa tsy misy na inona na inona ataon’ny kaominina sy ny mpiasa ao aminy. Manana polisy kaominaly an-jatony ny eo anivon’ny lapan’ny tanàna nefa tsy heno firy mihitsy izy ireny hoe nahasambotra mpangalatra. Ny sata manokana mifehy ny kaominina Antananarivo renivohitra anefa dia milaza mazava fa na tsy tena izy aza fa anarany fotsiny ny polisy kaominaly dia andraikitr’izy ireo voalohany ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Rehefa hisambotra sy hampiasa hery ao amin’ny mpivarotra ireo polisin’ny kaominina dia mafy be sy be sandry nefa tsy hita kosa rehefa hisambotra sy hanenjika mpanendaka. Toy izany ihany koa ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny lapan’ny tanàna izay tena bevava sy milaza ny tsy hitsitsy amin’izay rehetra mandika lalàna nefa tsy mbola heno mihitsy niteny sy nandrahona ireo mpangarom-paosy sy mpanendaka ary mpamaky trano eto an-drenivohitra. Any amin’ny tany mandroso tsy misy mpanendaka izany ary mariky ny fahantrana sy ny tsy fahaiza-mitantana io tsy fandriam-pahalemana misy eto an-drenivohitra io. Na ireo kaominina hafa eto Madagasikara aza dia tsy ahitana izany mpanao sinto-mahery izany.
Ben’ny tanàna avy amin’ny kaominina maro eto amin’ny oseana indianina no mandalo sy mivory eto Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao. Ho sahin’ny mpitantana ity renivohitra ity ve ny hitantara ny fomba fiasany sy hampiseho ny tena zava-misy marina iainan’ny mponina? Sarotra hinoana ny mety hahatanteraka izany satria ny tokantrano tsy ahahaka hoy ny fitenenana ary efa fomba fanaon’ny manam-pahefana malagasy rahateo ny manafina ny zava-misy marina tena mianjady amin’ny mponina ao amin’ny toerana iadidiany. Raha atao indray mitopy maso fotsiny dia hita fa tena anisan’ny kaominina tsy mandroso indrindra eto Madagasikara Antananarivo renivohitra. Nilazaon’ireo kaominina hafa manodidina lavitra be ary latsaka ambany dia ambany raha oharina amin’Antsirabe. Misy ny herijika sy ny fomba rehetra hahafahana mampandroso haingana sy hivadihana amin’ny tanàna maoderina anefa eto saingy ny mpitantana mihitsy no tsy haninon-tsy haninona. Hadinon’izy ireo ny lafiny mahaolona sy ny sehatry ny fiarahamonina ka tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny asa fampandrosoana ny tanàna. Samihafa anie ny fitantanana orinasa sy ny fitantanana raharaham-bahoaka e.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







