Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Haintrano – Nahatratra 200 tapitrisa ariary ny entana may

Herisetra na tsy fitandremana matetika no mahatonga ny haintrano ka mitera-doza ho an’ny maro izay iharany. Misy koa anefa tsy fantatra izay tena antony fa efa hotohoton’ny afo ny trano vao misy mahita. Ny iray desambra teo àry dia nitrangana haintrano mahatsiravina indray tany amin’ny faritra Sava, distrika Sambava, kaominina Bemanevitra, fokontany Ambatojoby. Trano telo tafo no may kila forehitra tamin’izany noho ny olana avy amin’ny herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro, nandritra ny fotoana nandehanan’ny tompon-trano niasa. Vola 2,7 tapitrisa teo ho eo niampy lavalina 30 kilao ary fanaka maro tsy voatanisa no levon’ny afo tamin’izany. Araka izany, tombanana ho 200 tapitrisa ariary any ho any ny tontalin’ny fahapotehana rehetra tao amin’io trano io. Tsy nisy noraisina fa levona tao anatin’ny ora vitsy monja ny harena nisasarana tao anatin’ny taona maro.  Nidina tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana avy ao Andrangovelatra nanao ny fanadihadiana, ny amin’izay mety ho antony marina nahatonga ny fahamaizana. Izy ireo no misahana akaiky ny famotorana ny amin’ity raharaha ity.  Tena mahagaga ary tena mampametra-panontaniana ny maro ity haintrano misesisesy eto Madagasikara ity . Misy tokoa aloha vokatry ny tsy  fitandremana fa ny sasany kosa tsy hay na ankasomparana na fahamaizana vokatry ny herinaratra. Ramalina aza hono mifehy hazo tokana ka ny zava-dehibe indrindra hisorohana ny loza toy itony dia ny fanavaozana ny fitaovana mitondra herinaratra raha toa ka efa ela nampiasaina. Eo ihany koa ny famonoana tsara ny afo raha handeha hivoaka ny trano.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre