Fandefasana mpiasa any ivelany – Olona akaiky ny minisitra nisoloky mpianatry ny Enam
Niakatra fitsarana omaly ny raharaha fisolokiana nataon’i R.L sy mpianatra iray eny amin’ny Enam Androhibe. Vola 17 tapitrisa ariary (na 85millions) no nalainy tamin’ity mpianatra ity ary nolazainy fa mahavita mikarakara mandefa olona miasa any ivelany izy. Nolazainy ihany koa fa manana fifandraisana amin’ny olona ambony betsaka eto amin’ny firenena izy hoentiny mandresy lahatra ny olona hosandohany. “Nolazainy tamiko fa mpanolo-tsaina ao amin’ny ministera iray izy ary koa talen’ny fampielezan-kevitry ny filoham-pirenena ka mora ho azy ny manao izany ary efa betsaka ny afera vitany noho ireo fifandraisana ananany ireo”. Tsy nandrenesam-baovao intsony ilay tale raha tsy efa amam-bolana maromaro taty aoriana. Rehefa nandeha ny fanadihadiana maro samihafa dia fantatra fa misoloky azy ity lehilahy ity raha ny fitantaran’ilay mpianatra hatrany. Nandeha ny fitoriana ka mbola herinandro taty aoriana vao voasambotra teny amin’ny Fasanikarana ingahy tale. Rehefa nandeha ny fakana am-bavany azy dia mbola nolaviny fa tsy nandray vola izy. Soa ity olona voasolokiny fa nandray feo ny resaka nataon’izy roalahy tao amin’ny biraony tamin’ny fotoana nandoavana ny vola. Izay porofo tsy nahafaka azy. Nidoboka vonjimaika tany am-ponja nandritra ny herinandro izy ary avy eo dia nangataka famotsorana vonjimaika ihany koa.
Hitady vola hanoloany ny an’ilay nosolokiany no antony. Na ny mpisolovava azy na ny fianakaviana dia samy nandresy lahatra azy avokoa hanao raharaham-pihavanana. Teo indray dia ny tranony izay eo am-panamboarana sy fiara 405 no nataony antoka. Kanefa tsy vita “legalisation “ izany ka teo anatrehan’ny fitsarana indray omaly dia mbola nolaviny tanteraka ny hanao izany ary nolazainy fa ny manam-pahefana no nanery azy hanao sonia io fifanarahana io. Amin’ny alatsinainy moa no hivoaka ny valim-pitsarana momba azy ka manantena ny fahaleovantenan’ny fitsarana ilay mpianatra. Marihina fa vao tamin’ny 2 desambra teo ingahy tale no voaresaka tamina gazety iray fa nikasa ny hanery ankolaka minisitra iray, hanome 17 tapitrisa ariary.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







