Betroka – Olona 200 isa manafika dahalo
Vatan-dehilahy miisa 200 avy amin’ny fokonolona no manao rodobe manenjika dahalo any Betroka hatramin’ny omaly. Araka ny fantatra dia nisy tanàna iray notafihin’ny malaso miisa 50 tany an-toerana tamin’ny alahady lasa teo. Omby miisa 50 no lasan’ireo dahalo ary roso tamin’ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandary. Tsy mbola nisy fifandonana hatramin’ny omaly tolakandro saingy heverina fa tamin’ny alina no raikitra ny fifanjevoana. Tena nahery vaika ireo dahalo tamin’ny andron’ny fanafihana ary nirongo fitaovam-piadiana sy nampiasa izany. Mody namitsaka ny fokonolona noho ny tampoka tsy maha lehilahy saingy nitroatra kosa taorian’ny fahalasan’ireo dahalo. Raikitra ny famoriana ny vatan-dehilahy ary efa tonga nanampy azy ireo ny zandary any an-toerana. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray dia tsy tokony hananosarotra ny fanenjehana ireo dahalo saingy ny lalana ratsy no miteraka olana. Raha ny fahavononan’ny olona anefa dia ahiana hiafara amin’ny rà mandriaka sy faty mikararana ity fanarahan-dia dahalo ity.
Hatramin’ny omaly dia mbola nangataka ny handefasana helikoptera ny olom-boafidy iray any an-toerana mba hanamafisana ny famongorana ny asan-dahalo. Hita ihany koa anefa fa mbola olana goavana amin’ity halatr’omby ity ny fisian’ny tsikombakomban’ny olobe sasany izay miaro an-jambany ireo dahalo rehefa misy ny maty voatifitry ny mpitandro filaminana.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







