Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Vahoaka mpamono olona

Nalaza tampoka ilay resaka valifaty saika hataon’ny zanak’Androy tany amin’ny fokontany …. Tamin’ny voalohany dia nolazaina fa Antandroy miisa 150 lahy no efa tany an-toerana saingy tsy mbola nanao fihetsika mahery izy ireo. Taty aoriana dia novoizina indray fa vatan-dehilahy miisa 2 000 mahery avy any Amboasary no handeha hanafika ny tanàna. Saika niafara tamin’ny rà mandrika ny raharaha raha tsy nandray andraikitra ny mpitandro filaminana nandefa zandary sy miaramila marobe tany an-toerana. Niditra an-tsehatra ihany koa ny minisitra roalahy avy amin’ny ankolafy tsy nifanaraka ka nandamina ny raharaha. Maro ireo nanome tsiny ny zanak’Androy tamin’ity raharaha saika niafara tamin’ny valifaty sy adim-poko ity. Nisy ireo niteny fa fanararaotana hakana vola no nanitarana ny raharaha. Ny hafa kosa nilaza fa tany misy Fanjakana eto ka tsy azo atao ny fampiasan-kery sy ny valifaty rehefa misy ny tsy fitovian-kevitra.

Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra anefa dia misy marina ihany ary ilaina ho famerana ny fanajana ny lalàna sy ny fitandroana ny zon’olombelona ny fihetsiky ny zanak’Androy. Maro loatra mantsy tato ho ato ny olona matin’ny fitsaram-bahoaka. Ny tena loza dia ireo raiamandreny eny an-tanàna sy ny tompon’andraiki-panjakana ary ny olom-boafidy sasany mihitsy no mpamporisika mivantana sy ankolaka ny famonoana olona amin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka. Toy izany ihany koa ny ataon’ny mpitandro filaminana izay mitifitra mahafaty ireo ahiahiana ho olon-dratsy. Saika ho isan-kerinandro izao dia misy hatrany ny famonoana olona ho faty amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany ny zanak’Androy. Efa maro ny tranga ka nanaovan’izy ireo fanairana sy fitarainana hatrany nefa tsy hita izay tena fepetra noraisin’ny manam-pahefana. Tsy mahagaga raha mijoro ny fikambanana toy ny zanak’Androy hiaro ny mpiray rà aminy rehefa tsy handray andraikitra ny Fanjakana. Inoana mantsy fa taorian’iny fanafihana saika hataon’ny 2 000 lahy iny dia tsy hisy sahy hikasika sy hamonomono fahatany ny zanak’Androy intsony ny mponina amin’ny faritra maro eto Madagasikara.

Lasa mampatahotra sy mampiahiahy ny zava-misy satria rehefa mpiavy ianao izany no voaendrikendrika dia tsy maintsy hiafara amin’ny fahafatesana amin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka hatrany ny raharaha. Niaraha-nahita ireny famonoana vazaha roalahy tany Nosy Be ireny, teo ihany koa  ny famonoana ilay ramatoa voalaza fa nanota fady tany Mananjary, … Toy ny tany tsy misy Fanjakana intsony eto fa izay tezitra sy te hamaly faty dia mifampiantso manao tamba-be sy mamono ireo mpiavy heverina fa nanao ratsy. Tsy izany velively ny tany tan-dalàna ary raha mitohy ny toy izany dia hiafara amin’ny adim-poko sy fifamonoan’ny samy malagasy ity resaka tsy fandriam-pahalemana sy fitsaram-bahoaka ity. Mila mandray andraikitra sy maka fanapahan-kevitra hentitra ny mpitondra fanjakana sy ny mpitandro filaminana mba hanatsaharana faran’izay haingana ny fahazaran-dratsy manao fitsaram-bahoaka satria mety misy amin’ireo olona novonoina sy nodorana ireny no tsy nanao ratsy akory. Tsy anjaran’ny vahoaka rahateo ny manafay ny olon-dratsy fa eo ny fitsarana izay mahaleo tena amin’ny fanaovana ny asany.

Zava-doza ho an’ny firenena io fitsaram-bahoaka io satria sady lasa lian-dra sy tia mamono olona ny vahoaka malagasy no mety hifamono sy hifandripaka eto. Efa fambara maneho ny mety ho tohin’ny famonoana olona tsy voahevitra etsy sy eroa ireny nataon’ny zanak’Antandroy ireny. Tsy mbola nisy zanak’Antandroy nijoro nitaky ny hamoahana ny mpiray rà amin’izy ireo voarohirohy tamin’ny heloka ka nampidirina am-ponja. Ny famonoana olona tsy nampandalovina fitsarana akory no tsy eken’izy ireo sy tsy tantiny.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre