Lozam-pifamoivoizana – Tapa-tongotra ny mpamily ilay fiara 205
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray omaly teny amin’ny digue mihazo an’i Fenoarivo. Fiara 205 miloko mena no nandeha mafy loatra ka namantana avy hatrany tany amin’ny taksibe iray, marika Sprinter. Tena mafy tokoa ny fifandonana satria dia samy nahitana fahapotehana ireo fiara roa indrindra fa ilay 205. Vokany, tapaka ny tongotr’ilay mpamily ity farany. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly izy ary efa nahazo fitsaboana mifanandrify amin’ny ratra nahazo azy. Araka ny vaovao azo avy ao amin’ny tambajotra facebook dia tena reraka ity mpamily naratra ity sady tsy ampy torimaso ihany koa ka izay no nahatonga azy tsy nahatana ny familiana. Na teo aza izany fifandonana mafy izany dia tsy nisy ny aina nafoy araka ny nambaran’ireo nanatri-maso. Tsy mitsahatra ny mampatsiahy izahay fa mila mitandrina ny rehetra amin’izao faramparan’ny taona izao satria tsy ananan-droa ny aina.
Farah
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







