Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fianarantsoa – Mahatratra folo mahery ny trano vaky ao anatin’ny tapa-bolana

Faritra mena no azo ilazana an’i Fianarantsoa amin’izao fotoana izao. Raha manao ny ataony ny malaso sy ny dahalo any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy dia ireo jiolahy indray no manjaka ao amin’io toerana io. Amin’izao ankatoky ny fety faran’ny taona izao mihitsy no manao ny ataony ireo olon-dratsy ary maro ireo ampitondrainy faisana amin’izany. Mpamily fiara karetsaka maromaro, ohatra, no mitaraina amin’ny fanakanana mahazo azy ireo rehefa mandeha amin’ny Fokontany mampiahiahy noho ny fisavàna tanterahin’ny andrimasom-pokonolona. Tsy lazaina intsony ny vaky trano sy toeram-pivarotana efa ho isanandro lava izao. Am-polony maro mantsy ireo toerana efa lasibatra tao anatin’ny andro vitsy monja. Ankoatra izay, misy ihany koa ireo fisehoan-javatra mahagaga toy ny fitomboan’ny isan’ny olona mandray vola avy any ivelany amin’ny alalan’ny orinasa misahana izany izay vao mainka  manintona ireo mpangarom-paosy ao an-tanàna ankehitriny. Roa andro lasa mantsy izay dia ramatoa iray avy nandray volabe nalefan’ny havany avy any an-dafy no voaroba. Ny mahatalanjona dia miseho hatrany ireo tranga ireo na dia nanao fanambarana miezinezina ho fanamafisana ny filaminam-bahoaka aza ny mpitandro ny filaminana. Vao herinandro lasa izao no nampatsiahy ny ora sy andro fisokafan’ny toerana fisotroana zava-mahamamo sy toerana fanaovana “karaoke” ny commissariat central. Raha ny voalaza dia ny tsy fanajana ireo amin’izao vanim-potoana alohan’ny fety izao no mahasarotra ny fivezivezen’ny olona sy ny fiambenana azy.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre