Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Kitra tompondakan’i Madagasikara – Mila maka ady sahala sisa ny Cnaps dia pao-droa indray

Mila mitazona ady sahala amin’ny Elgeco Plus sisa ny Cnaps amin’ny lalao farany amin’ny zoma 8 desambra izao dia  tanteraka ny pao-droa fanindroany amin’ity taona ity. Tsy maintsy mandresy kosa ny volomboasary vao voahosotra ho tompondaka.  Taorian’ny andro faha-15 ny « Poule des As » izay notanterahina tao amin’ny Kianjan’ Ampasambazaha dia mbola ny Cnaps Sport hatrany no mitàna ny laharana voalohany vonjimaika. Fandresena in-droa izay no azon’ny ekipan’ny Tahirim-pirenena.  Raha avy nandresy ny Fosa Junior avy any Boeny tamin’ny isa (2-1) izy ireo ny alahady teo, dia mbola io isa io ihany  koa no mbola nandresen-dry Toby sy ny ekipany ny ekipa mpampiantrano dia ny Zanakala Fc avy any Fianarantsoa. Ny Cnaps Sport avy any Itasy izany aloha no tsara toerana indrindra ary mety hanao pao-droa indray taorian’iny fandresena in-droa misesy iny.

Samy fandresena roa no azon’izy sy ny Elgeco Plus izay nandresy ny Som Fosa junior (3-2) omaly talata saingy manatombo amin’ny isa ny ekipan’ny faritra Itasy raha ny fitambaran’ny vokatra hatramin’ny lalao mandroso no jerena. Noho izany, izy no loha-laharana  eo amin’ny filaharana vonjy maika miaraka amin’ny isa 12. Ny Elgeco Plus kosa no eo amin’ny laharana faharoa nahazo isa 11. Ny Fosa Junior sy ny Zanakala Fc kosa samy nahazo isa 2 avy. Araka izany, mbola azo lazaina ho manandanja koa ny lalao farany izay hihaonan’ny Elgeco Plus sy ny Cnaps amin’ny alahady izao.  Raha mandresy ity farany dia manan-tsafidy na hanao ny amboara “Coupe de la Caf” na ny “Ligue des champions Caf” ary ny Elgeco kosa no manao izay fifaninana tsy andraisany anjara.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre