Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

67 ha – Vehivavy roa misoloky ho mpandefa mpiasa any ivelany

Iaraha-mahalala ary efa tsy vaovao intsony ny fahasarotan’ny fitadiavana asa eto Madagasikara. Na ireo nahavita fianarana na ireo tsy manana diplaoma mantsy dia lasa mitovy amin’izao satria samy tsy mahita asa avokoa. Ny toeram-piasana anefa azo lazaina ho maro ihany fa ny kolikoly sy ny fahafantarana olona no manimba ny rafitra ara-dalàna. Noho izany, miha maro  ankehitriny ireo olona mitady lalana handehanana hiasa any an-dafin’ny riaka. Maromaro ireo tambajotra mpandefa mpiasa mankany ivelany saingy tsy maharaka intsony izy ireny noho ny hamaroan’ny mpiasa malagasy te ho voaray. Mahakasika izay indrindra dia ramatoa miisa telo no nametraka fitarainana teny amin’ny polisim-pirenena omaly milaza fa voasoloky. Olona nitady lalana ny handehanana hiasa any ivelany avokoa izy ireo ary raha ny vaovao azo dia olona iray ihany no nahavoa azy ireo. Pejy ao amin’ny fesiboky misy laharan-tarobia mantsy no entin’ireo mpisoloky manatanteraka ny asa ratsiny. Niantso io laharana io ireo lasibatra ary nifanao fotoana tamina ramatoa be anankiroa teny 67ha tamin’ny andro samihafa.

Mba hampisehoana fa ara-dalàna ilay tambajotra dia nampiseho “badge” ary tao amin’ny birao iray no nandraisan’ireo tompon’ny atidoha ratsy ireo voasoloky. Nasain’izy ireo nandefa taratasy toy ny « Cv » sy ny taratasy fanehoam-pahazotoana izy ireo ary miaraka amin’ny vola 95 000 ariary. Nilaza ireo mpisoloky fa rehefa lasa ny fangatahana dia hantsoina izy ireo ary ao amin’ny birao ihany ny fotoana. Hatramin’izao anefa tsy mbola nisy niantso ireo lasibatra ary tsy nandeha intsony ilay laharana finday nomen’ireo mpisoloky. Rehefa tonga tao amin’ilay birao kosa ireto farany dia nilaza ny tompon-trano fa efitrano nofain’izy ireo hanaovana fotoam-pivavahana no nalain’izy ireo. Mitohy ny fanadihadiana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre