Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Andravoahangy – Tsy nahatsiaro tena ilay vehivavy voadonan’ny môtô

Tovovavy iray manodidina ny telopolo taona eo ho eo no voadonan’ny kodiaran-droa teo Andravoahangy, manoloana ny biraon’ny mpamonjy voina, omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Torana tsy nahatsiaro tena avy hatrany ity tovovavy ity satria nipitika avy hatrany izy, voadona mafy ny lohany ary nivoaka rà avy hatrany ny sofiny. Nianjera ihany koa ilay mpamily saingy tsy naratra izy ary tsy simba ihany koa ny fananany. Ny tena nampalahelo hoy ireo nanatrika sy nahita maso ny tranga dia tsy nisy nahazo nibata azy fa tsy maintsy niandry ny mpamonjy voina avy any Tsaralalàna nibata azy namonjy ny hopitaly, eo Andravoahangy anefa dia misy ary teo anoloan’ny birao mihitsy no nitranga ny loza. Mety ho manana ny fandaminan’asa anatiny ity sehatra iray ity, saingy efa tena nijininika be ny rà ary mbola tsy nahatsiaro tena ilay vehivavy ka tokony mba afaka nandray fepetra ny tompon’andraikitra tao. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso hatrany dia nandeha niampita izy, takona tao ambadin’ny fiara iray ilay môtô izay nandeha mafy tokoa ka tsy hitany ary dia nanohy ny fiampitany izy. Mitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana amin’izao ankatoky ny fety izao. Ny fahamaikana diso tafahoatra matetika mahatonga ny loza ka tokony hanampaharetana ihany ny rehetra satria ny loza tsy mampilaza ary ny tampoka tsy maha lehilahy. Aleo tara toy izay itrangan-draha eny an-dalana. Azo sorohana tsara ny loza rehefa samy manampahaharetana ny rehetra.

Tahirisoa

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre