Fampianarana ambony – Hahazo vatsy ny mpianatry ny ESD
Tontosa omaly ny fanaovana sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny trano fiantohana « Active Assurance France » sy ny oniversite tsy miankina « Ecole supérieure de droit et de la science politique » (Esd). Izany dia mety hisy fanomezana vatsim-pampiofanana ho ana mpianatra 40. Enim-bolana ny faharetan’ny fampiofanana ho an’ireo mpianatra hahazo izany ary diplôma licence no azo aorianan’ny fianarana. “Ireo mpianatra mendrika ao amin’ ny sekoly ihany no tena hahazo izany ary ho hentitra dia hentitra tokoa ny sivana hatao amin’ireo mpianatra. Satria dia tsy hoanisan’ ireo mandoa saram-pianarana izy ireo amin’izany. Mbola hahazo fiofanana ara-kasa ao amin’ity orinasa mpiahy ity ihany koa. Tsy lazaina koa ireo fanomanana azy ireo hiditra avy hatrany amin’ny sehatry ny asa ao anatin’ity orinasa ity hatrany », hoy i Franck Randrianasolo, filoha tale jeneralin’ny Esd. Aorian’ny sivana atao amin’ny atotan-taratasy ny mpianatra dia mbola hisy ny resadresaka fametrahana fanontaniana atao amin’ireo izay voaray. « Ny fanomezana ity vatsim-pianarana ity dia mikendry ny hampiroboroboana ny talenta ananan’ny tanora Malagasy. Efa tafiditra ao anatin’ny asa sosialy ny orinasa amin’izao », notsindrian’i Dénis Salmoiraghi, tale jeneralin’ny orinasa fiantohana voalaza. Marihina fa ny fanaovan-tsonia dia natao teny amin’ny oniversite Esd teny Fort-Duchesne.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







