Mahajanga – Miakatra ny vidin’entana eny an-tsena
Miaina ao anatin’ny fahantrana sy ny fahasahiranana ny mponin’i Mahajanga. Andro vitsivitsy lasa izay dia nanao fampahafantarana ny avy ao amin’ny vondron’ny mpitatitra fa hampiakatra ho 500ariary ny saran-dalana, izay tsy maintsy hampiharina alohan’ny fetin’ny noely. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia tsikaritra fa ny fiainana andavanandron’ny mponina mihitsy no ahitana fiakarana, indrindra ireo sakafo tena ilaina hiatrehana ny fety ary tena tsapa ho midangana mihitsy izany. Antomotra ny fety ka manararaotra mampakatra ny vidin-javatra eny an-tsena ny mpivarotra. Amin’ny vaninandro toy izao dia akoho amam-borona ny sakafo iarahan’ny mpianakavy mifampizara. Miakatra ary tena mampitaraina ny maro ny vidiny. Mahatratra 15 000 ariary ka hatramin’ny 25 000 ariary ny vidin’ny akoho amam-borona iray ary hatramin’ny 60 000 ariary kosa ny vorontsiloza sy ny gisa. Manaraka izany, mahatratra 10 000 ariary ny hen’omby ary 9 000 ariary ny henan-kisoa. Tena efa tsy ho voavidin’ny vahoakan’i Mahajanga intsony ny vidin’entana eny an-tsena. Mitaraina mafy ny vahoaka satria mitombo ny fahasahiranana, tsy mba misy anefa ny fanambarana fa hiakatra ny karama. Ny vola miditra isam-bolana amin’ny isan-tokantrano tsy mitombo, ny vola mivoaka anefa tena mampikaikaika ny rehetra. Miova tanteraka ny fitantanana satria saika ho isan’andro no ahitana ny fiakarambidin’ny entana eny an-tsena. Manentana ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ny zava-misy satria tsy vitsy ihany koa ireo mpanararaotra amin’ny vanim-potoana toy izao.
Tahirisoa
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







