Ranon’Ikopa – Tovovavy 24 taona maty an-drano
Tovovavy iray 24 taona izay bevoka efa-bolana no hita faty, tamin’ny 07 desambra 2016 tamin’ny 06 ora maraina tany Ambodivary, Fokontany Ambohibao Atsimo, kaominina Mahitsy, distrika Ambohidratrimo, teo amin’ny ranon’Ikopa. Tany amin’ny 1Km miala ny tanàna ary toerana tsy dia betsaka mpandalo no nahitana ny vata mangatsikany. Araka ny loharanom-baovao dia raim-pianakaviana iray handeha hamboly no nahita ny razana nitsingevana teo amin’ity renirano ity. Nampandre ny mpitandro filaminana izy. Nidina teny an-toerana ny avy ao amin’ny Borigadin’ny zandarimariam-pirenena Ambohidratrimo niaraka tamin’ny dokotera nanao ny fizahana. Fantratra ary fa maty an-drano io vehivavy io, izay antsoina hoe Randriatahinjanahary, 24 taona, ary bevoka efa-bolana. Voalaza fa handeha hijery baolina no nialany tao an-tranony tamin’ny alahady 04 desambra 2016, tamin’ny 01 ora tolakandro.
Farah
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







