Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Bala…mandoro – Kopaka iraisana ihany

Tsy nanafina mihitsy ireo loholona avy amin’ny vondrona politika Hvm fa manohana 100% ny fitondram-panjakana. Fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny alakamisy lasa teo no nanambaran’izyireo izany. Rehefa jerena anefa dia saika Hvm avokoa ny ankamaroan’ny loholona. Roa ihany no tena avy amin’ny mpanohitra dia ny senatera Lilyson de René avy amin’ny Mapar sy Ramalason Olga avy amin’ny Tim. Ny voalohany moa dia namoahana didy fampisamborana ka tsy hita popoka izay misy azy hatramin’izao. Vao tamin’iny herinandro iny ihany koa izy no niverenena nosavaina trano indray. Izany hoe tena atao mihitsy izay tsy hiakarany ao an-dapa ka tsy hahafahan’ny Mapar maneho hevitra. Ny faharoa kosa dia vavy tokana avy amin’ny mpanohitra izay inoana fa tsy hahavita na inona na inona manoloana ny Hvm marobe. Na haninona na haninona ny senatera Tim dia tsy afaka ny hitondra ny heviny mihitsy raha vao mifanohitra amin’ny an’ny mpanohana. Vato iray ve dia mba ho aiza hoy ny fitenenana. Ny loholona ambiny rehetra izay voafidy dia avy amin’ny Hvm avokoa. Ireo notendrena indray kosa dia ny Filoham-pirenena no nanendry azy. Izany hoe na tsy Hvm aza ny sasantsasany dia olon’ny filoha ka tsy hamadika azy na oviana na oviana. Voninahitra lehibe tsy ho voafafa ara-tantara mantsy izany mitana ny laharan’ny loholona izany. Fahefana sy tombontsoa be mihoa-pampana ihany koa ary afaka manova ny fiainana ao anatin’ny volana vitsy monja. Tsy hisy olom-boatendry ho senatera izany ka hamadika ny filoha izay nanendry azy raha tsy hoe angaha efa hiongana ilay filoha. Hatreto aloha dia sarotra ny hieritreritra fa hisy antokon’olona afaka hanongana io fitondram-panjakana mijoro io. Tsy mahagaga noho izany raha nijoro sy nanao fanambarana ireo loholona fa manohana ny fitondram-panjakana hatramin’ny farany. Ny mahagaga kosa dia ny tsy fanajana ny fisarahan’ny fahefana. Natao hifanohitra amin’ny fahefana mpanatanteraka mantsy ny fahefana mpanao lalàna. Izany hoe natao hanara-maso sy hanakihana ny tsy mety ataon’ny governemanta ny parlemantera. Tsy dia izany anefa no ataon’ny loholona malagasy fa toa manaiky sy manohana be fahatany izay aroson’ny governemanta rehetra. Niaraha-nahita ireny volavolan-dalàna mifehy ny fifandraisana izay efa nolavin’ny mpanao gazety nefa nofidian’ny loholona ihany. Teo ihany koa ilay tetibolam-panjakana 2017 izay lany tamin’ny fomba faran’izay tsotra teny amin’ny lapan’ny Antenimierandoholona. Tsy mba toy izany ny fomba fanohanana fitondrana satria olombelona ireo mpitondra ary tsy maintsy hanam-pahadisoana sy ho diso tetika. Izany indrindra no ilàna ny loholona izay heverina fa manam-pahendrena sy fahaizana ary traikefa ka afaka ny hanoro sy hanitsy manoloana ny tsy mety rehetra. Karazan’ny diso paikady ny senatera Hvm raha ny fanekena be fahatany izay ataon’ny mpitondra no heverin’izy ireo ho fanohanana. Mila torohevitra sy tsikera ny mpitondra Fanjakana mba tsy hanaovan’izy ireo fijery tokana izay mety hitarika ny firenena any amin’ny kizo. Raha ny zava-misy amin’izao mantsy no mitohy dia tsy misy antony hilan’i Madagasikara parlemantera intsony satria tsy manara-maso ny asan’ny fahefana mpanatanteraka akory izy ireo. Raha mety avokoa ny ataon’ny governemanta dia tokony ho foanana ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona fa mandany volam-panjakana fotsiny. Izay lalàna rehetra naroson’ny Fanjakana mantsy dia saika lany teny anivon’ny fahefana mpanao lalàna hatrany. Koa raha izany ihany tsy aleo ve tonga dia ny filan-kevitry ny minisitra no homena fahefana hanapaka izay lalàna rehetra tian’ny mpitondra hatao eto amintsika. Raha fohanana ny parlemanta roa tonta dia manana vola hatramin’ny 50 miliara ariary mahery isan-taona ny Fanjakana entina hanatanterahana tetikasam-pampandrosoana ho an’ny vahoaka.

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre