Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Mandrehitra afo indray

Manomboka miseho lany indray ny fampiasan-kery manoloana ny hevitra tsy mitovy. Misy mihitsy ny hevi-bahoaka manasokajy ny manam-pahefana sasany ho ao ambadik’ireny herisetra ireny. Ohatra iray ny nanjo ny radio tsy miankina tany Ilakaka. Tsy vitan’ny natao ankeriny ny fitadiavana fa mbola karohina sy ifampitadiavana toy ireny olon-dratsy nanao heloka bevava sy asa fampihorohoroana ireny ny mpiasa sy mpanao gazety ao. Tamin’ny faran’ny herinandro iny ihany koa dia nahoraka be fa voasambotra teny am-pandevenana ny mpikambana iray ao amin’ny Mapar noho ny didy fampisamborana izay navoaka volana vitsivitsy izay. Tsiahivina fa ny fiaraha-mientana tamin’ny mponin’i Soamahamanina noho ny hetsi-bahoaka nentina nanoherana ny fitrandrahana ataon’ny sinoa sy ny herisetran’ny mpitandro filaminana no anisan’ny antony nahatonga ny fampisamborana io mpanao politika io. Marihina anefa fa herinandro vitsy lasa izay dia hitam-poko hitam-pirenena namonjy lanonana io olona nosamborina io ary niresaka sy niara-naka sary tamin’ilay artista sy ny minisitra iray izay tena anisan’ny manana ny fahefany ao anatin’ny fitondram-panjakana. Nahagaga ny antony tsy nisamborana azy tamin’io andro io satria ilay minisitra dia manana mpitandro filaminana miambina azy, izay afaka nirahina hanao ny fisamborana. Azon’ilay minisitra natao ihany koa ny  nandray andraikitra nampandre ny mpitandro filaminana misahana ny fisamborana olona nefa tsy nataony izany. Tampotampoka eo anefa dia io fa voasambotra ilay mpanao politika. Inona no ao ambadik’izany? Fanaovana ramatahora sy fampisehoan-kery ve sa nisy nanipy hoditr’akondro araka ny fitenin’ny be hevitra ara-politika. Rehefa misy fanapahan-kevitra mety hiteraka savorovoro raisin’ny mpitondra Fanjakana toy izao mantsy dia misy hatrany ireo mahita holazaina fa nisy nanipy hoditr’akondro ny lehibe mpanapa-kevitra mba hanimbana azy. Izany hoe tsy mba manam-pahadisoana mihitsy ny tena tompon’andraikitra lehibe fa ny mpanolo-tsaina sy ny mpanatanteraka hatrany no homena ny tsiny raha sanatria mihitatra amin’ny tsy mety ny fanapahan-kevitra noraisina.

Ny mahagaga dia amin’ny vanim-potoana ilàna ny fitoniana ara-politika izao no mandrehitra afo ny fitondram-panjakana. Raha tena olona vonona ny hampandroso ny firenena anefa dia mitady ny fomba rehetra tsy hisian’ny disadisa. Politika no atao ary tsy misy tsy vitan’ny fifanatonana sy fifampiresahana. Misy ny mpanalalana amin’izany ary rehefa vita any ambadika any ny fifampiraharahana dia aseho vahoaka amin’izao hoe niravona ny disadisa, na ihany koa rehefa mbola tsy nisy ny marimaritra iraisana dia hampanginina aloha ilay raharaha mampifanolana ara-politika. Tsy izany anefa no mitranga amin’izao fotoana izao fa toa vao mainka mampiseho ny manam-pahefana fa vonona ny hifanandrina manoloana izay mpifaninana ara-politika rehetra. Mbola vao herinandro mahery ihany koa izay no nipoitra indray ny raharaha senatera Lylison de René izay efa nangingina am-bolana vitsy. Raikitra indray ny fisavana ny tranony izay tsy nahitana na inona na inona. Mbola anisan’ny fandrehetana afo ihany koa ny nataon’ny olona manodidina ny filoha izay tsy niraharaha tsotra izao ny fampiantsoana azy momba ny famotorana amin’ny resaka kolikoly. Vao mainka nanampy trotraka ny raharaha efa mangotraka ny nataon’ny loholona Hvm iray izay sahy niantsy ady tamin’ny tale jeneralin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco) izay marihina fa olon’ny fitondrana ihany matoa nomena hitana io toerana io. Tsy mba anisan’ireo ratsy laza amin’ny fanaparam-pahefana sy fihetsika tsy mendrika anefa io talen’ny Bianco io ary azo lazaina fa reharehan’ny fitondrana noho ny fitondran-tena mendrika sy ny fahasahiana hiady amin’ny mpanao ratsy. Mahagaga anefa dia olon’ny fitondrana toa azy ihany no manejika azy. Ankoatra izany dia efa niaraha-nahita ny fikasana hanongana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ary amin’izao fotoana izao dia mbola ny samy ao anaty fitondrana ihany no mivoy sy manaparitaka ny tokony hisian’ny fanovana mpikambana ao anaty Governemanta. Mampiseho ireo rehetra ireo fa misy tsy milamina ny samy olon’ny fitondrana ary mitady hifanongana an-toerana ao. Tsy mahagaga raha misy ny fapahan-kevitra mety handrehitra afo satria tsy voafehy intsony ny fifandaminana politika anatiny.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre