Mahabo – Omby 200 lasan’ny dahalo
Omby miisa 200 no lasan’ny dahalo omaly. Am-polony ireo malaso no tonga nanafika tao an-tanàna ary nahery vaika ka tsy nisy sahy nanohitra ny mponina. Rehefa lasa lavitra ireo mpanafika izay vao raikitra ny fanarahan-dia ary mbola andrasana ny vokatr’izany. Tato ho ato dia nirongatra be indray ny asan-dahalo any amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Arakaraka ny filazan’ny fitondram-panjakana fa hisy fepetra raikitra horaisina no vao mainka mampahery vaika ny fanafihana. Tsy mahagaga raha mifanandrify amin’ny vanim-potoanan’ny asaramanitra toy izao no mahabetsaka ny asan-dahalo. Mazava ho azy satria haingana ny fitadiavam-bola amin’izao ary hamidy hahazoana vola ireny omby angalarina ireny ary misy mpanam-bola sy mpandraharaha amin’io sehatra io no mpiray tsikombakomba mividy mora ny omby halatra rehetra. Tsy mety tratra moa ireny mpampiasa vola ireny fa ireo dahalo manafika mivantana ihany matetika no matin’ny fokonolona sy ny zandary izay tratra.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







