Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ankatoky ny fety – Miparitaka ny entana lany daty

Andro vitsy monja sisa dia higadona ny fetin’ny krisimasy. Miha mitombo noho izany ny isan’ireo mpivarotra eto an-drenivohitra ary tsy araka intsony ny kalitao sy ny fenitry ny entana amidy. Raha ny vaovao azo avy amin’ny mpivarotra ihany dia miverina tonga eny amin’izy ireo indray, ny karazan-tsakafo lany daty. Tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany ambanivolo mihitsy. Toy ny hena am-by fotsy, menaka, « biscuits » sy vatomamy, paty, sns… Ahitana izany avokoa manomboka amin’ny mpivarotra amoron-dalàna, dokany sy toeram-pivarotana lehibe sasany .Tsy afa-manoatra anefa ireto farany fa dia mivarotra sy mamerina ny masonkarenan’ireo mpamongady ary mivarotra mora ny entana mihitsy aza. Mampidi-doza ary mety mahafaty anefa ny fihinanana entana lany daty. Manaitra ny tompon’andraikitra noho izany ireo mpanjifa sy ireo mpivarotra fa mitera-doza amin’ny fahasalamam-bahoaka ary mety hahafaty olona maro mihitsy io fiparitahan’ny sakafo lany daty sy tsy manara-penitra io raha tsy misy ny fanapahan-kevitra hentitra amin’ny fandraofana haingana azy ireny.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre