Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Diosezin’Antananarivo – Nanakatona ny fankalazana ny taon-jobilin’ny Famindram-pon’Andriamanitra

Samy nanana ny tetiandro nanokafana sy nanakatonana ny varavaram-ben’ny katedraly, izay nanamarihana ny fankalazana ny taon-jobilin’ny  Famindram-pon’Andriamanitra ny diosezy rehetra eto Madagasikara. Raha ny diosezin’Antananarivo manokana dia ny 13 Desambra 2015 no nanokafana izany ary nofaranana omaly teny amin’ny katedraly Andohalo. Lamesa lehibe notarihan’i Arsevekan’Antananarivo, Monsenera Odon Marie Arsène Razanakolona. Maro ireo kristianina katolika no tonga nanome voninahitra izany fotoan-dehibe izany.  Nivoitra tamin’ny fampianaran’ny raiamandreny nandritra ny toriteny ny fampahatsiahivana ireo mpino ny tena ventin’ny atao hoe famindram-po. Nambarany àry fa « ny taon-jobily no mifarana fa ny fankalazana mitohy satria ny famindram-po dia fiainan’ny Fiangonana ary tsy ho tapitra na oviana na oviana eo amin’ny fiangonana ». Mitondra hafaliana ary mitaky fibebahana sy fanaovan-tsoa ny famindram-po.  Noho izany mila mahay mihaino ny feon’ny fieritreretana mba tsy hitsara ny hafa fa hahay handini-tena aloha. Izany hoe mahay miaina ny kodiarana efatra ny Famindram-pon’Andriamanitra : « aza mitsara , aza manameloka, mamelà, manomeza ». Mba hisorohana ireo halemena isan-karazany hoy hatrany izy dia mila mahay mifampihaino ny rehetra. Nampatsiahiviny ihany koa fa ny fankalazana no mifarana fa ilaina hatrany ny mandray ny sakramentan’ny fampihavanana matetika. Nanome fahefana ny pretra rehetra hoy izy ny Papa Ray Masina mba hanome famelana ireo izay nahavita fahotana mahafaty dia ny fanalan-jaza izany. Ankoatra izany fety lehibe izany dia nankalazaina androany ihany koa ny fetin’i Masina Maria mpiaro an’i Madagasikara sy ny faha-20 taona ny Vaofafia ka nisy ny fanolorana mari-boninahitra ireo izay nahavita be teto amin’ny diosezin’Antananarivo.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre