Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ambodifilao – Narodan’ny kaominina ny tranon’olona

Taorian’ny nandravan’ny kaominina tranon’olona teny Nanisana dia nitohy teny Ambodifilao indray ny hetsika. Trano hafa indray mantsy no narodan’ny mpiasan’ny kaominina teny Ambodifilao ny faran’ny herinandro lasa teo. Toy ny mahazatra dia miantehitra amin’ny filazana fa fanarahana ny ambaratonga rehetra sy ny fampilazana ara-potoana alohan’ny hamotehana ny fananan’olona ny kaominina. Lazaina fa tsy ara-dalàna sy tsy nahazo taratasy fahazoan-dalana hanorina hatrany ireny zavatr’olona simbaina ireny. Tena tsy mbola nisy mpitantana ny tanànan’Antananarivo renivohitra nandrava efa toy ny amin’izao fotoana izao. Mahagaga fa lazain’izy ireo fa ny 70 isan-jaton’ny fanorenana eto no tsy ara-dalàna nefa tsy arodany. Fa maninona no iray sy roa no azera fa tsy izay rehetra tsy ara-dalàna. Tsy misy fo miantra mihitsy ny mpitantana ny kaominina fa miantehitra loatra amin’ny resaka lalàna ary tsy mijery mihitsy ny maha olona.  Raha handray andraikitra ihany maninona tsy ireo mpivaro-toaka sy rongony ary mpangalatra no henjehina tsy avela hahita mangirana eto amin’ity renivohitra ity fa ny vahoaka tsy manan-tsiny hatrany no anaovana fanaparam-pahefana. Rehefa sendra ny mahery noho izy anefa ny ao amin’ny kaominina, malaky mifitsaka sy mihidy aman-trano. Anaovan’ny Fanjakana didin’ny be sandry amin’ny resaka Magro sy tany Andohatapenaka dia io fa tsy mahita hafitsoka. Nilatsahan’ny miaramila tao Analakely dia nandositra niafina tao amin’ny lapan’ny tanàna, nitondran’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany Gsis teny Anosipatrana tsy nisy sahy namaly na iray aza.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre