Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Lehilahy mamo tratra alina – Maty nokaikerin’ny alika, potipotika ny vatany

Tsy mahagaga intsony ny mahita olona mamo tampona tratra alina eny an-dalam-be eny. Toa lasa tafiditra ao anatin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ny toaka ary efa iaraha-mahalala fa tafiditra ao anatin’ny firenena folo voalohany mpisotra toaka indrindra i Madagasikara. Ny mampalahelo anefa dia maro ireo olona tsy mahafehy tena amin’izy io ka lasa mihoa-pefy sy manaotao foana. Misy mihitsy aza ireo tsy tafody fa matory an-tatatra vokatry ny hamamoana diso tafahoatra ka lasa voaendaka tsy fidiny ary indraindray aza dia misy mamono mihitsy. Hafa kely kosa ity tranga izay niseho ny volana lasa teo ity ary tena mampalahelo tokoa satria lehilahy voalaza fa mamo, tratra alina teny amin’ny toerana iray miala 40km an’Antananarivo no nitambaran’ny alika mpirenireny am-polony maro. Raha ny vaovao azo tamin’ny fianakaviana izay nangatahana alalana manokana hanapariahana ny vaovao sy ny sary dia efa fanaony rehefa avy miasa ny miditra toeram-pisotroana miaraka amin’ny namany. Tsy maintsy mandeha irery anefa izy rehefa mody satria samihafa ny lalana. Izy handeha hody iny indrindra no nenjehin’ireo alika masiaka am-polony maro mpirenireny amin’ny alina ka avy hatrany dia nokakeriny. Ilay rangahy moa mamo ka sady tsy afaka niaro tena no tsy afaka nitsoaka. Voakaikitra avokoa ny vatany manontolo, ary feno ratra ny vatany eny hatramin’ny lohany. Maro ihany koa ny nofo niala tamin’ny vatany fa ny tena nahafaty azy, araka ny voalazan’ny dokotera nijery ny razana dia ny kaikitra iray teo amin’ny faritry ny tendany izay nahatonga fahaverezan-drà be loatra. Nihosom-potaka, tsy nisy akanjo ambony intsony ary feno rà ny toerana nisehoan’ny loza. Tsy nisy azo natao afa-tsy ny nitondra azy tany an-tranony sy ny nandevina azy. Ny azo tsoahana amin’izao loza izao dia mila mitandrina isika, indrindra fa ireo mpimamo rehefa tratra alina. Manaitra koa noho izany ny fanjakana ny amin’ny tokony hijerena akaiky ireny alika mirenireny eny an-dalambe ireny. Sady mandratsy endrika ny tanàna izy ireny no sady mety hampiti-doza eo amin’ny fiarahamonina ihany koa.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre