Firenena feno pesta !
Pesta atsy, pesta aroa, … ! Saika ho isan’androvaky izao dia ahenoana trangana pesta foana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Misy no disoin’ny manam-pahefana fa tsy pesta ary lazaina fa aretina hafa. Misy ihany koa ny mbola hatao fanamarinana na izy na tsy izy. Ny tena zava-doza anefa dia misy tranga nahafaty olona voamarina fa tena pesta. Raha fehezina dia misy pesta eto Madagasikara na inona na inona fomba fitenin’ny manam-pahefana sy ny manam-pahaizana. Aretina vokatry ny loto ny pesta satria avy amin’ny fiparitahan’ny voalavo no mampihanaka azy. Misy ihany koa milaza fa aretina vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana satria rehefa misy mandoro ny tanety dia miakatra an-tanàna ny voalavo. Samy manana ny fanazavany moa ny manam-pahaizana sy ny manam-pahefana fa ny azo antoka dia mbola mandripaka sy manambana eto Madagasikara io pesta io. Firenena voaozona hoy ireo minomino foana ary Fanjakana tsy sitraky ny nahary hoy ny vontom-pinoana satria mifandimby mandripaka eto Madagasikara avokoa ny karazana loza maro samihafa izay tsy nisy fomba nahafahana nanakana azy ireny. Mandalo ny rivodoza dia rava ny tanàna maro, misoko mangina ny haintany sy ny tsy fahampian-tsakafo mandripaka ny vahoaka malagasy nefa tsy hita izay ataon’ny mpitondra. Milaza ho mandray andraikitra ny minisiteran’ny mponina nefa tsy hitany akory hoe saika ho isan-kerinandro no misy olona matin’ny hanoanana sy ny aretina eny amin’ny araben’Antananarivo renivohitra. Efa namely teto ihany koa ny ambalavelona, ny fitsaram-bahoaka, ny vono olona ataon’ny jiolahy sy ny tifitra mampisalasala namonoan’ny mpitandro filaminana olona tsy mbola voaheloky ny fitsarana akory.
Pesta avokoa ny filaza ireny zava-doza mandripaka ny vahoaka tsy manan-tsiny ireny. Mbola azo sokajiana ho pesta ihany koa ny fanaovana ampihi-mamba ny harem-pirenena, ny fanodikodinana volam-panjakana, ny fanaparam-pahefana, ny kolikoly, ny lainga atao amin’ny vahoaka ary ny tsy fahombiazana rehetra mitranga eto amin’ny firenena. Ankoatra ilay aretina izay mifindra amin’ny alalan’ny kaikitry ny parasy avy amin’ny voalavo izany dia antsoin’ny olona hoe pesta avokoa ny zava-dratsy rehetra mikiky sy mamotika ny firenena ary mety miparitaka sy mifindra amin’ny hafa. Rehefa zatra tsy mandray andraikitra mantsy ny mpitondra dia manao toy izany ihany koa ny ambaratongam-pahefana rehetra hatrany amin’ny isan-tokantrano sy any am-pianarana. Rehefa hita fa mpandray kolikoly ny solombavam-bahoaka dia mba manaraka izany ihany koa ny mpiasa madinika sy ny polisy eny amin’ny fifamoivoizana. Rehefa sahy mamono olona ankitsirano ny jiolahy sy ny mpitandro filaminana dia mba roso amin’ny fitsaram-bahoaka ihany koa ny fokonolona.
Maro tsy tambo isaina ny zava-dratsy matetim-pitranga eto amin’ny firenena nefa azo sorohina tsara raha misy ny fandraisana andraikitra. Pesta ho an’ny firenena ny ohatra ratsy rehetra avy any ambony satria lasa alain’ny sarambabem-bahoaka tahaka. Tsy ny ara-toekarena ihany no mahantra fa hatramin’ny toe-tsaina mihitsy no mitady ho simba. Nirehareha fatratra ny malagasy fa tsy mba tafajabaka tamin’ny adim-poko izany. Ankehitriny anefa, indrindra amin’izao andro efa maoderina izao dia ireo avaram-pianarana toy ny mpianatry ny oniversite indray no mifamono noho ny resa-pihaviana fotsiny. Io ihany koa fa efa manomboka mitady hitroatra ny karazam-poko samihafa noho ny valifaty manoloana ny havan’izy ireo matin’ny fitsaram-bahoaka. Tena marary ity firenena ity ary mila fitsaboana maika satria manomboka miditra eto ny karazana loza rehetra mitady handripaka ny vahoaka malagasy. Ny fitondram-panjakana no mila mandray andraikitra voalohany mampiseho amin’ny vahoaka fa tena azo atao ny manarina sy manasitrana ny firenena amin’ny alalan’ny asa misy vokatra mivaingana fa tsy vitan’ny kabary ambony latabatra fotsiny.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







