Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ambohidrapeto Itaosy – Marary mafy ilay zazalahy 15 taona mpangataka amoron-dalana

Tranga mampalahelo ary anairana ny fitondram-panjakana, zazalahy kely vao 15 taona monja voalaza fa marary mafy no tsy misy mpiahy ary mangataka amoron-dalana eny amin’ny faritra Ambohidrapeto Itaosy. Ny sary niparitaka teny amin’ny serasera sy ny fanazavan’ireo olona efa nahita azy dia manamarina tanteraka fa marary io zaza io satria tena ohatra ireny zaza tsy ampy sakafo any Atsimo na kere ireny. Taolana mifono hoditra raha izay no mahavoalaza azy. Raha ny fanazavan’ny olona niresaka taminy dia efa herinandro vitsivitsy izay izy no nangataka teo amin’ny toerana iray, ary miaraka amin’ny zandriny vavy kely. Herinandro taty aoriana anefa dia mbola hita eo ihany izy mianadahy ary hita fa miha kely ary miha marary ilay zokiny lahy. Efatra mianadahy ary efa maty ray i Jimmy sy Tahiry ary raha ny fanampim-baovao azo dia marary mafy any an-tranony ihany koa ny renin’izy ireo. Tsy maintsy mandeha mangataka eny amoron-dalana noho izany izy mianadahy kely mba hitadiavana sakafo sy vola hividianana fanafody ho an-dreniny. Ilay zandriny no mibata isa-maraina ny zokiny tsy mahatsangana intsony mandeha mangataka. Ny mampalahelo anefa dia zara raha mahazo vola izy ireo mba hividianany sakafo. Ny aretina mahazo an’i Jimmy izay mikiky azy isan’andro etsy andaniny. Miantso ny fitondram-panjakana na ny ministera misahana ny fiainam-bahoaka noho izany satria olombelona manana zo hihinana sy hitafy ary hotsaboina ara-dalàna ireo zaza ireo. Rariny sy hitsiny raha toa ka raisin’ny fahefana mahefa an-tanana ny momba io zaza io ary atomboka aminy ny fanafoanana tanteraka ny kere eto Madagasikara. Raha izao mantsy no mitohy dia hirongatra tsy ho ela eto Antananarivo ny kere sy ny tsy fahampian-tsakafo.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre