Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Andravoahangy – Tapaka ny tongotr’ilay vehivavy nianjera tamin’ny taksibe

Henjana tokoa ny fisisihana taksibe rehefa hariva ny andro satria maika hamonjy fodiana ny rehetra. Tsy amin’ny fiantsonana iray fa saika ho manerana ny renivohitra mihitsy izany. Matetika anefa ahitan-doza izy ireny, na jiolahy mpanao sinto-mahery ka manararaotra ny fisisihan’ny mpandeha ary misintona avy hatrany izay poketram-behivavy tazany na alaina amin’ny fomba hafa. Na mety hahita loza vokatry ny fianjerana rehefa tsy maharazona tsara ka mahatonga faharatrana na famoizana aina izany. Toy izay nitranga teny Andravoahangy ambany omaly hariva tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany hariva. Vehivavy iray no nianjera tampoka avy eny am-pisavilihana taksibe.  Efa nahatazona ny varavarana izy no votsitra tampoka ny tanany ary mety nisy zavatra namingana azy ka nahatonga ny fianjerana. Nifatratra avy hatrany tao amin’ny kodiarana ao aoriana ny lohaliny. Raha ny fahitana azy hoy ireo nanatri-maso dia tena tapaka tokoa no tongony havanana. Nandeha mora ihany ilay fiara nidirany fa ireo olona rehetra nisisika teo ivelany no tsy nahandry ny fijanonany ka avy hatrany dia nirazona.  Navelan’ny mpamily teo ny fiara sy ireo mpandeha ary nandositra avy hatrany izy. Namerina izay manana famerim-bola ny mpanampy azy ary nanjavona avy hatrany koa. Marihina anefa fa tsy azy ireo velively ny hadisoana fa an’ilay vehivavy niharam-boina. Malaza ratsy manko amin’izao ny fitsaram-bahoaka ka naleon’izy ireo nandositra avy hatrany . Matetika mantsy tsy ny hamantatra izay anton’ny zava-nitranga  no ao an-tsain’ny vahoaka fa avy hatrany dia ny hamono.

 

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre