Soarano – Nokendain-janany ilay rangahibe efa marary ao an-tranony
Habibiana fotsiny tsotra izao, izay no azo anasokajiana ity tranga mampalahelo niseho tany Soarano ny alahady lasa teo ity. Rangahibe 76 taona no nokasain-janany hovonoina tao an-tokantranony. Fandatsahan’aina izay tsy fantatra mazava hatreto ny antony. Araka ny vaovao azo tamin’ny olona teo amin’ny manodidina dia efa marary mafy efa ela tao an-tranony tao io lehilahy lehibe io ary mitaky fitsaboana sy fanaraha-maso matetika. Tsy maintsy ity lehilahy nahavanon-doza ity noho izany no miandraikitra ny fikarakarana rehetra ary tsy maintsy miantoka ny fanafody hitsaboana ny rainy. Tsy roniny tsy ventiny araka ny fitenenana teo anefa dia nanapa-kevitra ny hanapitra ny ain-drainy ity zazalahy ary dia nokendainy. Tsy vitan’izany fa dia nodarodarohany ihany koa izy ary raha ny ratra hita teo amin’ny vatan’ilay rangahy be dia milaza mihitsy fa mafy ny vono nahazo azy. Tao anatin’ny fotoana azo lazaina ho lava no nidarohan’ilay zanany azy dia nisy ny naheno teo amin’ny manodidina ka nampandre ny fiarahamonina. Rehefa tsy nahatsiaro tena noho izany ilay rangahibe, lasa nitady lalana hitsoahana ilay zanany. Teo vao nikoropaka ny mpiara-monina nanavotra ny ain’ilay rangahy ary nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Soa ihany anefa fa tonga ara-potoana ireo olona nitondra azy ka avotra soa aman-tsara ihany ny ainy. Raha ny vaovao azo tamin’ny olona teo amin’ny manodidina ihany dia mety mifoka zava-mahadomelina mahery ity lehilahy nahavanon-doza ity. Ny tsy fahazakany mijery ny rainy marary ao an-trano mantsy no toa hoe nahatonga azy nanao ireny fihetsika mamoa-fady ireny. Raha tokony nitsabo izy dia vono mahatsiravina indray no nasetriny ho an’ny rainy. Hatramin’izao dia mbola karohina io zazalahy izay tsy hita popoka io. Ilay rangahy kosa dia mbola tsaboina amin’ny aretina sy ny ratra vokatry ny daroka nahazo azy.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







