Fampihavanana diso toerana
Lasa fandaniam-potoana sy fandaniam-bola toy ny efa nitranga hatramin’izay ny resaka fampihavanam-pirenena raha ny endriny tadiavina hitondrana azy amin’izao no jerena. Ny tena olana mantsy dia tsy ireo tena fotory ny ady no tena ampihavanina fa ireo mpanohana sy mpikarama an’ady fotsiny ihany. Na inona na inona fanazavana dia ireo filoha nifandimby sy nifanongana no fototry ny krizy politika teto Madagasikara. Izany Albert Zafy izany dia efa nahavita nanao hetsika nanonganana an-dRatsiraka tamin’ny fotoan’androny. I Marc Ravalomanana ihany koa dia efa nitarika hetsi-bahoaka nanonganana an-dRatsiraka. Farany dia Andry Rajoelina indray no nandrodana ny fitondran-dRavalomanana. Na inona na inona fanazavana dia mbola mifandrafy tsy mety hihavana ireo filoha nifandimby ireo ary toy izany ihany koa ny mpanohana azy avy. Mbola manjaka ny lonilony sy toram-po ary ny fifandrafesana amin’ireo ankolafin-kery efatra ireo ary tsy hisy fihavanana ho vanona izany eto raha tsy ireo no mihavana. Sarotra anefa izany satria samy mbola mihevitra azy ho mamim-bahoaka sy manan-tsaina entina hampandrosoana ny firenena izy rehetra ary mitady ny hirika rehetra hiverenana eo amin’ny fitondrana. Efa nisy ihany ny fampihanana azy ireo nefa nisaraka maina tamin’izao fa tsy nisy ny marimaritra iraisana. Izany hoe tsy mbola vonona ny hifamela sy hamitram-pihavanana ireo filoha ireo matoa tsy mety mifanaraka hampandefitra ny hambom-po sy ny fitiavan-tena. Tsy mahagaga raha izany toetra izany no alain’ny vahoaka tahaka ka mahatonga ny eny anivon’ny fiarahamonina tsy mbola mety mifanaraka manoloana ny raharaha sy ny fomba fijery politika. Mbola mifanasa vangy ny mpomba an-dRajoelina sy Ravalomanana rehefa eny anivon’ny fianakaviana na ihany koa eny ambony facebook. Mbola manao tsindrim-paingotra ihany koa ny olon-dRatsiraka rehefa mahita hirika hamelezana an-dRavalomanana sy Rajoelina ary Zafy. Ny mpanara-dia ity farany moa dia tsy mitsahatra milaza fa tsy hisy fampihavanana vanona eo raha tsy homena azy ny andraikitra. Tsy mbola izao mihitsy izany no hisian’ny fampihavanam-pirenena tena izy satria samy tsy mbola maty voalavo an-kibo ny mpifandrafy ara-politika rehetra eto amin’ny firenena.
Vao mainka manampy trotraka ny hamafin’ny olona ny afitsoky ny mpomba an-dRajaonarimampianina izay mampiseho ny fananany ny fahefana amin’ny alalan’ny fandrarana ny olona tsy hanao hetsika, ny fisamborana ireo mpifaninana ara-politika ary ny fametrahana fijery tokana amin’ny fomba fitantanana ny firenena. Iadivan’izy ireo i Andry Rajoelina sy ny namany ary anaovana tsindry hazolena i Marc Ravalomanana sy ny tariny. Mbola sahin’ny tarik’i Hery Rajaonarimampianina ihany koa ny nanangana ady amin’i Didier Ratsiraka tamin’ny alalan’ny fikasana hanongana ny filohan’ny Antenimierandoholona nefa ny praiminisitra Jean Ravelonarivo izay olon’ny revolisiona mena efa nesorina ihany koa. Mbola lavitry ny afo ny kitay amin’ny resaka fampihavanam-pirenena ary tsy hilamina izany io raha tsy tonga saina aloha ireo lehibe mpitarika. Izany hoe raha misy sehatra na vondron’olona tena mikatsaka marina ny fampihavanana eto Madagasikara dia mila mitady fomba hahafahana mandresy lahatra ireo filoha nifandimby hifamela heloka. Amin’izay fotoana izay mantsy dia ho mora ny handresy lahatra ny vahoaka mba hahay hifamela sy hamafa ny alahelo sy fifankahalana noho ny tsy fitoviam-pijery ara-politika. Olona mahay mamela heloka ny vahoaka malagasy saingy kosa mila mpitarika atao maodely fa tsy mahavita maka fanapahan-kevitra fotsiny amin’izao. Tsy hihavana mihitsy ity firenena ity ary tsy hilamina raha lolom-po sy fankahalana lava izao no hifikiran’ny tsirairay. Tsy vitan’ny halako bika tsy tiko tarehy intsony ny zava-misy fa tena fifandrafesana sy fanozonana ary fikatsahana ny hamotika izay tsy mitovy hevitra ara-politika amin’ny tena mihitsy.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







