Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Lisim-pifidianana – Tsy maharototra ny olona ny fanaraha-maso

Zara raha misy mpijery ny lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany na dia efa tamin’ny fiandohan’ny volana desambra aza no nanombohany. Raha ny filazan’ny komitim-pokontany iray teny amin’ny boriboritany fahatelo dia zara raha misy olona iray na roa isan’andro manontany ny anarany ao anaty lisi-pifidianana. Ny fokontany rahateo tsy mazoto amin’ny fanentanana satria tsy misy vola natokana ho amin’izany. Peta-drindrina miloko mainty sy fotsy vitsivitsy no mba apetaka eny amin’ny rindrina na tambohon’olona dia izay no mba hany fanentanana. Hita noho izany fa tsy rototra amin’ilay lisitra ny vahoaka sy ny mpifidy. Ny fifidianana manaraka rahateo dia mbola any an-kibon’ny omby araka ny fitenenana satria raha nampanantena ny mpitondra fa hovitaina tamin’ny volana jolay lasa teo ny an’ny lehiben’ny faritra dia lasa teny tsy tsaroana izany ary tsy nisy tohiny intsony. Nanamafy ihany koa ny fikambanana Rohy fa tsy tena mbola tomombana araka ny fenitra ilaina ny lalàna mifehy ny fifidianana misy amin’izao fotoana izao satria maro ny tsy manjavozavo. tsy mbola tafiditra ao, ohatra, ny fanomezana sehatra ny kandida hitondra fanazavana mahakasika ny famatsiam-bolan’izy ireo amin’ny fampielezan-kevitra. Tokony ho ny foto-kevitra no handresena lahatra ny mpifidy fa tsy ny fizarana vola sy tombontsoa.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre