Haiady karate – Atleta 300 isa handray anjara amin’ny fiadiana ny tompon-daka nasionaly
Taranja iray anisan’ny ananan’ny malagasy traikefa ny karate, ary efa maro amin’izao fotoana izao ireo sekoly mpampianatra ity haiady ity manerana an’i Madagasikara. Mpilalao malagasy maro no efa niady ho tompon-daka eran-tany na tany ivelany na teto an-toerana ary azo lazaina aza fa nahafa-po ny malagasy ny valin’ny lalao rehetra izay natao. Taranja fanatanjahan-tena mendrika ny ho atosika raha ny karate, ary tsapa ny fandrosoany eto amintsika. Porofon’izany ny fandraisantsika indray ny fiadiana ny tompon-daka nasionalin’ny karate izay hotanterahina ao amin’ny kianja mitafon’Ambatomena ao Fianarantsoa manomboka androany ka hifarana ny faha-17 ny volana desambra ho avy izao. Raha ny vaovao voaray tamin’ireo tompon’andraikitra mpikarakara dia atleta 300 mahery avy amin’ireo ligim-paritra 18 eto Madagasikara no handray anjara amin’ity fifaninana nasionaly ity. Mpandray anjara efa tsara ofana avokoa satria nanana fotoana maro nahafahana niatrika ny fiomanana ara-batana izy ireo talohan’ny fifaninanana. Marihina fa ny karate amin’izao dia efa voasokajy ho isan’ny taranja olimpika, araka ny tapaka nandritra ny lalao olimpika farany natao tany Rio de Janeiro tamin’ny volana aogositra farany teo.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







