Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Vidim-piainana – Tafakatra Ar 500 ny vidin’ny atody

Midangana be ny vidim-piainana amin’izao ankatoky ny fety izao. Efa tafakatra 500 Ariary ny vidin’ny atody iray eny amin’ny mpivarotra enta-madinika. Hatrany am-potony mihitsy io hoy ny mpivarotra. Ireo mpanangom-bokatra kosa dia manazava fa ny fiakaran’ny saran’ny fitaterana ary ihany koa ireo kojakoja fiompiana akoho no tena mahatonga izao atody lasa lafo be izao. Ankoatra izany dia misy ihany koa ny fanararaotana rehefa andro fety satria ny vanim-potoana toy izao no mba hahafahan’ireo mpiompy manarina ny fatiantoka nandritra ny taona. Mampametram-panontaniana ny vahoaka anefa ny zava-misy satria ny fitondram-panjakana dia nampanantena fa hanatsara sy hampandroso ny firenena ny nandraisana ny frankofonia. Izao anefa vao mainka miharatsy ny toe-draharaha satria niakatra daholo ny vidin’entana rehetra . « Inona no vaovao manerana ny tany ? tsy takatry ny kely vola izao ny atody ô! » hoy ny mpanakanto Sareraka.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre