Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Antsirabe – Mampikorontana ny fametrahana “Pylône”

Saika tena nalaza ary mihanaka eran’ny tanàna maro eto Madagasikara ity fametrahana « pylône » ity. Tsy mijery ny voka-dratsiny amin’ny fiainan’ny mponina manakaiky ilay toerana ametrahana ilay fitaovana ireo tompon’andraikitra fa izay hahavitan’izy ireo ny asany sy hampandroso ny orinasany fotsiny no tanjon’izy ireo. Eo anatrihan’izany fihetsika izany dia toherin’ny mponina ao Antsirabe Avaratra ny hametrahana andry vy goavam-be eo amin’ny manodidina ny trano fonenany. Enim-bolana lasa izay no nisian’ny savorovoro ka efa nanaovan’ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra fanentanana saingy tsy resy lahatra ny mponina fa manohitra izany hatrany. Nambaran’ny mponina fa tsy marina ny filazan’ny ministera momba ny tsy fisian’ny olana satria fampiasana finday ela loatra fotsiny aza dia miteraka tsy fahasalamana mainka fa ny fitaovana mitondra tambajotra an’aliny ve tsy hiteraka olana ? Nilaza ny hanohitra hatramin’ny farany ny fananganana ity “Pylône” ity moa ireo mponina manodidina. Nanambara no sady nanamafy ny vaditany iray monina tsy lavitra eo fa dia hiady hatramin’ny farany momba ity resaka ity, ary tsy hanaiky izy ireo. Efa nisy ny dingana nataon’izy ireo hatrany amin’ny prefektioran’Antsirabe sy ny Faritra Vakinankaratra. Ny mahagaga amin’ny tranga toy itony dia ny fihetsiken’ny solontenam-panjakana any ifotony. Tsy maintsy ny fangatahana ataon’ilay tompon’ny orinasa mametraka ilay fitaovana. Rehefa hita fa tsy mety amin’ny fahasalaman’ny mponina dia tokony hisakana izy ireo fa tsy matin-kenamaso na mora voavidy vola.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre