Antanimora – Marovoay – Nitsangana ilay rangahy maty, nirifatra nitsoaka ny olona
Mahagaga ary sarotra ny manazava ity tranga niseho tany amin’ny distrikan’i Marovoay ity. Lehilahy lehibe iray efa maty no voalaza fa nitsangana tamin’ny maty teo am-piandrasana azy. Tao amin’ny toerana iray antsoina hoe Antanimora no nitrangan’ity seho mahagaga ity tamin’ny herinandro lasa teo. Tany ho any amin’ny 10 ora alina tany no niseho izany, ary efa vory ny mpiandry faty rehetra. Efa miredona ny hiram-pivavahana ary ny mamangy ao an’efitra tsy tapaka mihitsy. Tampotampoka teo anefa dia naheno horakoraka ny tao amin’ny efitra ilany ary nandeha nijery ny zava-misy tao amin’ny efitra nisy ny razana ny olona rehetra. Akory ny hagagana fa ilay rangahy maty tamin’ny maraina no mipetraka eo amin’ny latabatra niandrasana azy. Raha ny vaovao azo dia mbola nisefosefo lalina ity farany ity ary mbola tsy tonga saina mihitsy. Ny olona sasany tamin’izany dia lasa nirifatra nitsoaka avokoa ary nitabataba fa hoe misy angatra ao an-trano. Ireo havana akaiky no tsy nitsoaka, na natahotra mafy aza dia nanantona azy ary nampitsangana azy. Antsasak’adiny taty aoriana vao nahateny ity rangahy maty ka velona indray ary niteny fa toa ohatra ireny nanonofy ireny izy. Tsy niteny kosa izy anefa hoe nahita an’Andriamanitra na anjely na toerana raitra dia raitra toy ny fanaon’ny olona sasany. Araka ny nambaran’ny havany dia maty vokatry ny fijanonan’ny fo tampoka izy ny maraina. Mbola nanamarina ihany koa izy ireo fa nijanona tsy nitempo intsony ny fony tamin’ny nahitana azy teo ambony fandriana. Tsy fantatra noho izany hoe ahoana no nahavelona azy tampoka teo fa ny ranomason’ny fianakaviana dia nivadika hafaliana rehefa nahita fa velona indray ny havany.
Nangonin’i Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







